Salamo 38:1-22

Hiran’i Davida, ho fampahatsiahivana. 38  Jehovah ô, aoka tsy ho ao anatin’ny fahatezerana no hananaranao ahy,+Ary aoka tsy ho ao anatin’ny fahavinirana no hanitsianao ahy.+   Fa mitsatoka lalina any anatiko ny zana-tsipìkanao,+Ary mavesatra amiko ny tananao.+   Tsy misy tsy marary ny nofoko, noho ny fanamelohanao.+Ary na hatrany amin’ny taolako aza dia tsy misy fiadanana, noho ny fahotako.+   Fa efa mihoatra ny lohako ny fahadisoako.+Toy ny enta-mavesatra ireny, ka mavesatra loatra amiko.+   Maimbo sy mamoro-nana ny feriko,Noho ny hadalana vitako.+   Sahiran-tsaina aho ka mitanondrika tanteraka.+Ary mandehandeha amin’alahelo foana aho.+   Fa mamaivay daholo ny andilako,Ary tsy misy tsy marary ny nofoko.+   Rera-po aho, ary kivy tanteraka.Mitaraindraina aho noho ny fitolokon’ny foko.+   Jehovah ô, eo anatrehanao daholo ny faniriako rehetra,Ary tsy miafina aminao ny fisentoako.+ 10  Midobodoboka mafy ny foko, ary lany ny heriko.Lefy koa ny hazavan’ny masoko.+ 11  Mihatakataka amiko ny namako sy ireo tia ahy, noho ny loza manjo ahy.+Ary mijanona eny lavitra eny ireo namako akaiky.+ 12  Fa mamela-pandrika ireo mifofo ny aiko.+Miresaka fampahoriana ireo mitady hanisy ratsy ahy,+Ary mingonongonona milaza fitaka foana izy ireo.+ 13  Izaho kosa anefa toy ny marenina ka tsy nihaino,+Ary toy ny moana, ka tsy niloa-bava.+ 14  Nanjary toy ny olona tsy mandre aho,Ary tsy nanan-kavaly koa ny vavako. 15  Fa ianao no nandrasako, Jehovah ô!+Namaly ahy ianao, ry Jehovah Andriamanitro ô!+ 16  Fa hoy aho: “Raha tsy namaly ianao, dia ho nifaly tamin’ny fahavoazako ireny.+Ary raha nangozohozo ny tongotro,+ dia ho nirehareha nanohitra ahy tokoa ireny.”+ 17  Fa efa saika solafaka aho,+Ary teo anatrehako foana ny fijaliako.+ 18  Koa nitsotra ny fahadisoako aho.+Nampiady saina ahy ny fahotako.+ 19  Lasa mahery ireo fahavaloko mbola velona,+Ary nihamaro ireo mankahala ahy tsy amin’antony.+ 20  Namaly ratsy ny soa nataoko izy ireo,+Ary nanohitra ahy foana satria manao ny tsara aho.+ 21  Aza mahafoy ahy, Jehovah ô!Aoka ianao tsy ho lavitra ahy, ry Andriamanitro ô!+ 22  Ampio haingana aho,+Ry Jehovah mpamonjy ahy ô!+

Fanamarihana