Salamo 39:1-13

Ho an’ny mpitarika ny Jedotona.+ Hiran’i Davida. 39  Hoy aho: “Hitandrina ny lalako aho+Mba tsy hanotan’ny lelako.+Ambenako ny vavako ka hasiako fehivava,+Raha mbola misy ratsy fanahy eo anatrehako.”+   Tsy niteny aho fa nangina,+Ka tsy nilaza na dia zavatra tsara aza.+Ary notazoniko tao am-poko ny fijaliako.   Nihanafana ny foko tao anatiko tao,+Ary mbola niredareda ihany ilay afo, nandritra ny fisentoako,Ka hoy aho:   “Jehovah ô, ampahafantaro ahy fa vetivety dia hifarana ny fiainako+Ary tena fohy ny androm-piainako,+Mba hahalalako fa mihelina ihany aho.+   Nataonao vitsy andro aho,+Ary tsinontsinona eo anatrehanao ny androm-piainako.+Mihelina toy ny fofonaina tokoa ny olombelona rehetra, na dia matanjaka aza.+ Sela.   Mandehandeha eny ny olona nefa toy ny aloka ihany.+Mifofotra mafy izy ireo nefa tsy misy vokany akory izany.+Manangona fananana izy nefa tsy fantany izay ho tompon’izany.+   Koa inona no antenaiko ankehitriny, Jehovah ô?Ianao no andrandraiko.+   Afaho amin’ny fahadisoako rehetra aho,+Ary aza avela holatsain’ny adala.+   Nangina+ tsy nahaloa-bava aho,+Noho izay nataonao.+ 10  Esory amiko ny loza ampiharinao amiko.+Mila ho faty aho noho ny famelezan’ny tananao.+ 11  Manitsy ny olona ianao, ka mananatra azy noho ny fahadisoany.+Ary ataonao potipotika toy ny nohanin’ny koroka+ ny zava-tsarobidiny.Mihelina toy ny fofonaina tokoa ny olombelona rehetra.+ Sela. 12  Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah ô,Ary aoka ianao hanongilan-tsofina rehefa miantso vonjy aho.+Aza odian-tsy hita ny ranomasoko.+Fa mpivahiny ihany aho eo anatrehanao,+Ary mpiavy toy ny razako rehetra.+ 13  Avilio tsy hijery ahy ny masonao mba ho miramirana aho,+Alohan’ny hahalasanako ka tsy hisiako intsony.”+

Fanamarihana