Salamo 4:1-8

Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokanga.+ Hiran’i Davida. 4  Ry Andriamanitro tia rariny+ ô, valio aho rehefa miantso anao.Voagejan’ny fahoriana aho, ka omeo fahalalahana.Iantrao aho,+ ka henoy ny vavaka ataoko.   Ry zanak’olombelona, mandra-pahoviana no hanaovanareo tsinontsinona ny voninahitro?+Mandra-pahoviana ianareo no ho tia zava-poanaSy hamoron-dainga? Sela.   Koa fantaro fa miavaka ny fomba hitondran’i Jehovah ny olony tsy mivadika.+Hihaino i Jehovah rehefa miantso azy aho.+   Tezera fa aza manota.+Tazòny ao am-ponareo ihany ny teninareo, eo am-pandriana.+ Ary aoka hangina ianareo. Sela.   Manaova sorona ka atolory amim-pahamarinana+ izany,Ary matokia an’i Jehovah.+   Maro no miteny hoe: “Iza no hanao izay hahitantsika zava-tsoa?”Aoka ianao hankasitraka anay,*+ Jehovah ô!   Hataonao mahatsapa fifaliana aho ato am-poko,+Dia fifaliana lehibe kokoa noho ny tamin’ny fotoana naha betsaka ny varimbazahany sy ny divainy vaovao.+   Handry sy hatory amim-piadanana aho,+Fa ianao irery ihany, Jehovah ô, no mahatonga ahy tsy hanana ahiahy.+

Fanamarihana

A.b.t.: “hanandratra ny fahazavan’ny tavanao aminay.”