Salamo 40:1-17

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 40  Nanantena fatratra an’i Jehovah aho,+Dia nanongilan-tsofina nihaino ahy izy ka nandre ny antso vonjy nataoko.+   Ary izy no nampakatra ahy avy tao amin’ny lavaka misy rano misasasasa,+Sy avy tao amin’ny fotaka mandrevo.+Dia najorony teo ambony vatolampy ny tongotro,+Ary nampandehaniny teo amin’ny tany mafy tsara aho.+   Hira vaovao no nataony teo am-bavako,Eny, hira fiderana an’Andriamanitsika.+Maro no hahita izany, dia hatahotra,+Ka hatoky an’i Jehovah.+   Sambatra ny lehilahy tomady izay manao an’i Jehovah ho tokiny,+Ka tsy mitoky amin’ny mpikomy,Na amin’ny mpandainga.+   Maro ny zavatra nataonao,+Jehovah Andriamanitro ô, eny, maro ny asanao mahatalanjona sy ny fikasanao momba anay.+Tsy misy azo ampitahaina aminao.+Raha te hilaza sy hiresaka momba izany aho,Dia maro loatra ireny ka tsy ho voatanisako.+   Tsy nankasitrahanao ny sorona sy ny fanatitra.+Nosokafanao ny sofiko.+Tsy nitaky fanatitra dorana sy fanatitra noho ny ota ianao.+   Noho izany, dia hoy aho: “Intỳ aho tonga!+Voasoratra ao amin’ny horonam-boky ny momba ahy.+   Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô,+Ary ato anatiko ny lalànao.+   Nambarako teo anivon’ny fiangonana lehibe ny vaovao tsara momba ny fahamarinana.+Tsy nanakombona ny vavako aho,+Ary fantatrao tsara izany, Jehovah ô!+ 10  Tsy notazoniko tato am-poko ny fahitsianao.+Nanambara ny tsy fivadihanao sy ny famonjenao aho.+Tsy nafeniko teo anatrehan’ny fiangonana lehibe ny hatsaram-panahinao feno fitiavana sy ny fahamarinanao.”+ 11  Aza mifehy tena tsy hiantra ahy, Jehovah ô!+Hiaro ahy mandrakariva anie ny hatsaram-panahinao feno fitiavana sy ny fahamarinanao!+ 12  Fa nanodidina ahy ny loza tsy tambo isaina.+Maro ny fahadisoana vitako izay tsy tsapako akory.+Maro noho ny volon-dohako ireny,+Ka ketraka ny foko.+ 13  Jehovah ô, aoka ho sitrakao ny hanafaka ahy.+Mba ampio haingana aho, Jehovah ô!+ 14  Aoka ho menatra sy hangaihay daholo+Ireo mifofo ny aiko mba hamonoana ahy.+Aoka hiverin-dalana sy ho afa-baraka ireo faly amin’ny fahavoazako.+ 15  Aoka hangasihasy noho ny henatra+Ireo miteny amiko hoe: “Tsara ho azy izay!”+ 16  Aoka hifaly sy hiravoravo aminao+Izay rehetra mitady anao.+Aoka ireo tia ny famonjenao+Hilaza mandrakariva hoe: “Hankalazaina anie i Jehovah!”+ 17  Fa ory sy mahantra aho.+Mihevitra ahy i Jehovah.+Ianao no Mpanampy sy Mpanafaka ahy.+Aza ela loatra, Andriamanitro ô!+

Fanamarihana