Salamo 41:1-13

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 41  Sambatra izay miahy ny mahantra,+Fa i Jehovah hamonjy azy amin’ny andro mahory.+   I Jehovah hiaro azy sy hitsimbina ny ainy.+Hambara ho sambatra izy eto an-tany.+Tsy hanolotra azy eo an-tanan’ny fahavalony mihitsy ianao.+   I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany.+Hikarakara azy eo amin’ny farafarany ianao, mandritra ny fotoana aharariany.+   Fa hoy aho: “Iantrao aho Jehovah ô!+Sitrano aho, fa nanota taminao.”+   Ny fahavaloko kosa milaza zava-dratsy momba ahy,+ ka manao hoe:“Rahoviana izy no ho faty ka tsy hotsarovana intsony ny anarany?”   Ary na misy tonga mitsidika ahy aza, dia hanosika azy hilaza lainga ny fony.+Hitady zava-dratsy holazaina momba ahy izy,Dia handeha, ka hitantara izany eny ivelany.+   Mitakoritsika mifosa ahy daholo ireo mankahala ahy rehetra.+Mitetika ny hanisy ratsy ahy foana izy ireo,+ ka milaza hoe:   “Ianjadian’ny loza* izy.+Mandamaka ao am-pandriana izy izao, ary tsy ho tafarina intsony.”+   Ary ilay olona tsara fihavanana tamiko, izay nitokisako,+Sy niara-nihinana ny mofoko tamiko,+ dia nanainga ny voditongony hamely ahy.+ 10  Fa ianao kosa Jehovah ô, aoka ianao hiantra ahy ka hanao izay hahatafarina ahy,+Mba hamaliako ny nataon’ireny.+ 11  Izao no ahafantarako fa mankasitraka ahy ianao:Tsy manao horakora-pandresena hanakorana ahy ny fahavaloko.+ 12  Manohana ahy ianao satria tsy mivadika aminao aho,+Ary hataonao eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.+ 13  Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+Hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay!+Amena!* Amena!+

Fanamarihana

A.b.t.: “zavatra tsy manjary.”
Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”