Salamo 42:1-11

Ho an’ny mpitarika. Maskila ho an’ny taranak’i Kora.+ 42  Toy ny anirian’ny serfa hahita rano mikoriana,No aniriako fatratra anao, Andriamanitra ô!+   Mangetaheta mafy an’Andriamanitra aho,+ dia ilay Andriamanitra velona.+Rahoviana aho no ho tonga, ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?+   Ny ranomasoko no sakafoko andro aman’alina,+Ary milaza amiko foana ny olona hoe: “Aiza ity Andriamanitrao?”+   Mahatsiaro ny lasa aho, ka miharìtra ny aiko ato anatiko.+Fanaoko mantsy ny niara-dia tamin’ny maro,Sy ny nandeha moramora teo alohan’ny vahoaka nankany an-tranon’Andriamanitra.+Nanakoako ny fihobiana sy ny fisaorana,+Eny, ny feon’ny vahoaka nanao fety.+   Nahoana re aho no dia mamoy fo e?+Ary nahoana aho no sahiran-tsaina?+Hiandry an’Andriamanitra aho,+Satria mbola hidera azy, fa izy no famonjena lehibe ho ahy.+   Mamoy fo aho, ry Andriamanitro ô,+Ka mahatsiaro anao,+Atỳ amin’ny tanin’i Jordana sy ny tampon’i Hermona,+Atỳ amin’ny tendrombohitra kely.+   Ny rano lalina miantso ny rano lalina,Rehefa re ny feon’ny rano mifantsitsitra.Ny onjanao mahery rehetra+Dia manafotra ahy.+   Amin’ny antoandro, dia hirahin’i Jehovah ho atỳ amiko ny hatsaram-panahiny feno fitiavana,+Ary amin’ny alina, dia hihira momba azy aho.+Hivavaka amin’ilay Andriamanitra nanome aina ahy aho.+   Hoy aho amin’Andriamanitra, izay harambatoko:+“Nahoana ianao no manadino ahy?+Nahoana aho no mandehandeha amin’alahelo noho ny fampahorian’ny fahavalo?”+ 10  Mandatsa ahy loatra ireo mankahala ahy, ka toy ny torotoro mihitsy ny taolako.+Ary milaza amiko foana izy ireo hoe: “Aiza ity Andriamanitrao?”+ 11  Nahoana re aho no dia mamoy fo e?+Ary nahoana aho no sahiran-tsaina?+Hiandry an’Andriamanitra aho,+Satria mbola hidera azy, fa izy no famonjena lehibe ho ahy sady Andriamanitro.+

Fanamarihana