Salamo 43:1-5

43  Tsarao aho,+ Andriamanitra ô!Raiso an-tanana ny adiko eo amin’ny fitsarana,+ izay ifanaovako amin’ny firenena mpivadika.Hanafaka ahy amin’ny olona mpamitaka sy tsy marina anie ianao.+   Fa ianao no Andriamanitra fiarovana mafy ho ahy.+Nahoana ianao no manary ahy?Nahoana aho no mandehandeha amin’alahelo noho ny fampahorian’ny fahavalo?+   Alefaso ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.+Aoka ireny no hitarika ahy,+Sy hitondra ahy ho any amin’ny tendrombohitrao masina sy ny tranolainao be voninahitra.+   Hankeo amin’ny alitaran’Andriamanitra aho,+Dia any amin’Andriamanitra, izay fifaliako sy firavoravoako.+Ary hidera anao amin’ny harpa aho Andriamanitra ô, eny, ry Andriamanitro.+   Nahoana re aho no dia mamoy fo e?+Ary nahoana aho no sahiran-tsaina?Hiandry an’Andriamanitra aho,+Satria mbola hidera azy, fa izy no famonjena lehibe ho ahy sady Andriamanitro.+

Fanamarihana