Salamo 44:1-26

Ho an’ny mpitarika. Maskila nataon’ny taranak’i Kora.+ 44  Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre,Ny razanay mihitsy no nitantara taminay+Ny zavatra nataonao tamin’ny androny,+Tamin’ny andro fahiny.+   Noroahinao tamin’ny tananao ireo firenena,+Fa izy ireo kosa no nampitoerinao* hisolo an’ireny.+Nomontsamontsaninao ny firenena samy hafa ka noroahinao.+   Tsy ny sabany no nahazoany ilay tany,+Ary tsy ny sandriny no nahavonjy azy,+Fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao+ ary ny fahazavan’ny tavanao,Satria sitrakao izy ireo.+   Ianao no Mpanjakako, Andriamanitro ô!+Aoka ianao hamoaka didy mba hahazo famonjena lehibe i Jakoba.+   Noho ny fanampianao, dia ho vitanay ny hanosika ny fahavalonay.+Ary noho ny anaranao dia hanosihosy an’ireo mitsangana hanohitra anay izahay.+   Fa tsy ny tsipìkako no nitokisako,+Ary tsy ny sabatro no namonjy ahy.+   Fa ianao no namonjy anay tamin’ny fahavalonay,+Sy nampahamenatra an’ireo mankahala mafy anay.+   Andriamanitra no hoderainay mandrakariva,+Ary ny anaranao no hankalazainay mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Sela.   Efa nanary anay anefa ianao, ary manao izay hahafa-baraka anay,+Sady tsy miaraka amin’ny tafikay intsony.+ 10  Ataonao miverin-dalana foana izahay eo anoloan’ny fahavalonay,+Ary mandroba zavatra ho an’ny tenany ireo mankahala mafy anay.+ 11  Afoinao toy ny ondry atao sakafo izahay,+Ary aparitakao any amin’ireo firenena.+ 12  Ataonao varo-boba ny olonao,+Ary tsy ahazoanao tombony akory ny vidiny. 13  Avelanao holatsain’ny mpiara-monina aminay izahay,+Eny, avelanao haneso sy hanaraby anay ireo manodidina anay.+ 14  Ataonao teny fanarabiana eo amin’ireo firenena izahay,+Sady ataonao mampihivingivin-doha an’ireo firenena samy hafa.+ 15  Eo anoloako mandrakariva ny fahafaham-barakako,Ary voasarona henatra ny tavako,+ 16  Noho ny tenin’ny mpandatsa sy ny mpanevateva ahy,Noho ny ataon’ny fahavalo sy ny mpamaly faty.+ 17  Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay,+Ary tsy mivadika amin’ny fifanekena nataonao taminay.+ 18  Tsy mivadika aminao ny fonay,+Ary tsy miala amin’ny lalanao ny dianay.+ 19  Notorotoroinao tany amin’ny toerana iangonan’ny alikadia izahay,+Ary nosaronanao haizim-pito.+ 20  Raha nanadino ny anaran’Andriamanitray izahay,Na namelatra ny tananay ho amin’ny andriamani-kafa,+ 21  Dia tsy ho hitan’Andriamanitra ve izany?+Fa mahafantatra ny miafina ao am-po izy.+ 22  Vonoina ho faty mandrakariva anefa izahay noho ny aminao,Ary toy ny ondry haripaka no fiheverana anay.+ 23  Miarena, Jehovah ô! Nahoana ianao no mbola matory ihany?+Mifohaza! Aza ariana mandrakizay izahay.+ 24  Nahoana ianao no manafina ny tavanao?Nahoana ianao no manadino ny fijalianay sy ny fahorianay?+ 25  Mihohoka amin’ny vovoka izahay,+Ary mipetaka amin’ny tany ny kibonay. 26  Mitsangàna hanampy anay,+Ka avoty izahay noho ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+

Fanamarihana

A.b.t.: “nambolenao.”