Salamo 45:1-17

Ho an’ny mpitarika ny Lisy. Maskila nataon’ny taranak’i Kora. Hira momba an’ireo vehivavy tiana. 45  Miboiboika zavatra tsara ny foko.+Hoy aho: “Misy ifandraisany amin’ny mpanjaka ny asako.”+Aoka ny lelako ho toy ny penina*+ eny an-tanan’ny mpanao dika soratra tena mahay.+   Mihoatra lavitra noho ny an’ny zanak’olombelona ny hatsaranao,+Ary mahafinaritra erỳ ny teny avy amin’ny molotrao!+Izany no antony itahian’Andriamanitra anao mandritra ny fotoana tsy voafetra.+   Ry ilay mahery ô,+ ataovy eo amin’ny andilanao ny sabatrao,+Ary misikìna haja amam-boninahitra.+   Ary mandrosoa amim-boninahitra ho amin’ny fandresena!+Taingeno ny soavalinao mba hampitoerana ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana.+Ary ny tananao ankavanana hampianatra anao hanao zava-mampahatahotra.+   Hitsatoka amin’ny fon’ny fahavalon’ny mpanjaka ny zana-tsipìkanao maranitra,+Ka firenena maro no ho lavo eo ambaninao.+   Andriamanitra no seza fiandriananao mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+Tehim-pahitsiana ny tehim-panjakanao.+   Tianao ny fahamarinana,+ fa halanao ny faharatsiana.+Izany no mahatonga an’Andriamanitra, izay Andriamanitrao,+ hanosotra+ anao menaka fifaliana+ mihoatra noho ireo namanao.+   Manitra miora sy aloesy ary kasia ny akanjonao rehetra.+Mampifaly anao ny feon’ny lokanga avy ao amin’ny lapa ivoara+ mirenty.   Anisan’ny vehivavy malalanao ny zanakavavin’ireo+ mpanjaka.Mijoro eo ankavananao ny vadin’ny mpanjaka,+ sady miravaka volamena avy any Ofira.+ 10  Mihainoa, ry zanakavavy ô, ka mijere ary aoka ianao hanongilan-tsofina,Ary hadinoy ny firenenao sy ny ankohonan-drainao.+ 11  Tsy ho andrin’ny mpanjaka ny hahita ny hatsaran-tarehinao,+Fa izy no tomponao,+Ka miankohofa eo anatrehany.+ 12  Hitondra fanomezana koa ny zanakavavin’i Tyro,+Ary hitady sitraka aminao* ireo mpanankarena eo amin’ny vahoaka.+ 13  Be voninahitra ilay zanakavavin’ny mpanjaka, ao an-trano.+Voaravaka volamena koa ny akanjony. 14  Akanjo tsara tenona no hanaovany, rehefa hoentina eo amin’ny mpanjaka izy.+Entina eo aminao koa ireo virjiny namany izay mpanotrona azy.+ 15  Ho ao anatin’ny fifaliana sy firavoravoana no hitondrana azy ireo,Ary hiditra ao an-dapan’ny mpanjaka izy ireo. 16  Hisolo toerana an’ireo razanao+ ny zanakao,+Izay hotendrenao ho andriana manerana ny tany.+ 17  Hanambara ny anaranao hatramin’ny taranaka fara mandimby aho,+Ka hoderain’ny firenena mandritra ny fotoana tsy voafetra ianao, eny, mandrakizay.

Fanamarihana

Mety ho bararata kely marani-doha io.
A.b.t.: “hanalefaka ny tavanao.”