Salamo 46:1-11
Ho an’ny mpitarika. Nataon’ny taranak’i Kora,+ araka ny fihiran’ny Ankizivavy. Hira.
46 Fialofana sy hery ho antsika Andriamanitra.+Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana izy.+
2 Koa tsy hatahotra isika, na miova aza ny tany,+Na mihovotrovotra aza ny tendrombohitra ka mianjera any afovoan’ny ranomasimbe,+
3 Na misamboaravoara sy mandroatra aza ny ranomasina,+Ary na mihovotrovotra noho ny fanonjany aza ny tendrombohitra.+ Sela.
4 Mampifaly ny tanànan’Andriamanitra ireo sakeli-drano mankamin’ny renirano iray,+Eny, mampifaly an’ilay tranolay be voninahitra sy masina indrindra, izay an’ny Avo Indrindra.+
5 Eo afovoan’ilay tanàna Andriamanitra,+ ka tsy ho voahozongozona izy io.+Hamonjy azy Andriamanitra, raha vao tonga ny maraina.+
6 Nisavorovoro ireo firenena,+ ary nihozongozona ny fanjakana.Nampanakoako ny feony izy, ka nitsonika ny tany.+
7 Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika.+Tendrombohitra fandosirantsika ilay Andriamanitr’i Jakoba.+ Sela.
8 Avia ianareo hijery ny asan’i Jehovah.+Manao zava-mahagaga eto an-tany izy.+
9 Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy.+Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona.+Dorany ny kalesin’ady.+
10 “Milefera ianareo, ary aoka ho fantatrareo fa izaho no Andriamanitra.+Hisandratra eo amin’ireo firenena aho,+Ary hisandratra eran-tany.”+
11 Momba antsika i Jehovah Tompon’ny tafika.+Tendrombohitra fandosirantsika ilay Andriamanitr’i Jakoba.+ Sela.