Salamo 47:1-9

Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora. 47  Mitehafa, ry firenena rehetra,+Ary manaova horakora-pandresena sy antsoantsom-pifaliana ho an’Andriamanitra.+   Fa tokony hatahorana i Jehovah, ilay Avo Indrindra,+Ilay Mpanjaka lehibe ambonin’ny tany manontolo.+   Hataony manaiky antsika ireo firenena,+Ary hataony eo ambany tongotsika ny firenena samy hafa.+   Hifidy lova ho antsika izy,+Dia ilay lova reharehan’i Jakoba, izay olona tiany.+ Sela.   Miakatra ao anatin’ny horakora-pifaliana Andriamanitra,+Ary arahina feon’anjombona ny fiakaran’i Jehovah.+   Manaova hira fiderana ho an’Andriamanitra. Manaova hira fiderana.+Manaova hira fiderana ho an’ny Mpanjakantsika. Manaova hira fiderana.   Fa Mpanjakan’ny tany manontolo Andriamanitra.+Manaova hira fiderana, ary aoka ianareo hitandrina.+   Lasa mpanjaka eo amin’ireo firenena Andriamanitra.+Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany masina Andriamanitra.+   Mivondrona ny mpitondra vahoaka,+Miaraka amin’ny vahoakan’ilay Andriamanitr’i Abrahama.+Fa an’Andriamanitra ny ampingan’ny tany.+Nisandratra avo dia avo Izy.+

Fanamarihana