Salamo 48:1-14

Hira fiderana nataon’ny taranak’i Kora.+ 48  Lehibe i Jehovah ka tena mendrika hoderaina+Ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika,+ ao amin’ny tendrombohiny masina.+   Kanto sy manerinerina ilay fifalian’ny tany manontolo,+Dia ny Tendrombohitra Ziona any amin’ny farany avaratra,+Eny, ny tanànan’ilay Mpanjaka Be Voninahitra.+   Fantatra ho tendrombohitra fandosirana Andriamanitra, ao amin’ireo tilikambo fonenana any Ziona.+   Nihaona ireo mpanjaka, araka ny fotoana nifanaovany,+Ary nandalo fotsiny izy rehetra.+   Izy ireo mihitsy no nahita, ka gaga.Raiki-tahotra izy ireo, ka nikoropaka nandositra.+   Tora-kovitra izy ireo tany,+Ary nanaintaina toy ny vehivavy mihetsi-jaza efa hiteraka.+   Ataonao rendrika ny sambon’i Tarsisy, noho ny rivotra avy any atsinanana.+   Araka izay efa rentsika no hitantsika+Ao amin’ny tanànan’i Jehovah Tompon’ny tafika, dia ny tanànan’Andriamanitsika.+Andriamanitra mihitsy no hampiorina mafy azy mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ Sela.   Andriamanitra ô, misaintsaina ny hatsaram-panahinao feno fitiavana izahay,+Ao amin’ny tempolinao.+ 10  Ny anaranao+ sy ny fiderana anao, Andriamanitra ô,Tonga hatrany amin’ny faran’ny tany.Feno fahamarinana ny tananao ankavanana.+ 11  Aoka hifaly ny Tendrombohitra Ziona.+Aoka hiravoravo ireo tanàna miankina amin’i Joda,+ noho ny didim-pitsaranao.+ 12  Mandehana ianareo mihodidina an’i Ziona,+Ka isao ny tilikambony.+ 13  Diniho tsara ny tovon-tany* miaro azy.+Ary jereo tsara ny tilikambo fonenana eo aminy,Mba hotantarainareo amin’ny taranaka ho avy.+ 14  Fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+Izy no hitari-dalana antsika mandra-pahafatintsika.+

Fanamarihana

Jereo 2Sa 20:15 f.a.p.