Salamo 49:1-20

Ho an’ny mpitarika. Hiran’ny taranak’i Kora.+ 49  Henoy izao, ry firenena rehetra!Aoka ianareo hanongilan-tsofina, ry mponina rehetra eto amin’ity tontolo ity,+   Dia ianareo taranak’olombelona sy ianareo zanak’olombelona,Na ny manankarena na ny mahantra.+   Hilaza tenim-pahendrena ny vavako.+Ary hevi-dalina* no hosaintsainiko ato am-poko.+   Hanongilan-tsofina hihaino oha-teny aho,+Ary ao anatin’ny feon’ny harpa no hanazavako ny ankamantatro.+   Nahoana aho no hatahotra amin’ny andro fahoriana,+Raha manodidina ahy ny fahadisoan’ireo mpamingana ahy?+   Mitoky amin’ny fananany izy ireo,+Ary mirehareha amin’ny harem-beny,+   Nefa tsy misy amin’izy ireo mahavita manavotra ny rahalahiny,+Na manome an’Andriamanitra ny vidim-panavotana ho azy,   —Fa lafo loatra ny vidiny hanavotana ny ain’izy ireo,+Ka tsy ho voaloa mandritra ny fotoana tsy voafetra—   Mba ho velona mandrakizay izy ka tsy ho lasa any amin’ny lavaka.+ 10  Hitany mantsy fa maty koa na ny hendry aza,+Ary samy maty daholo na ny adala na ny tsy misaina,+Ka hamela ny fananany ho an’olon-kafa.+ 11  Ny fanirian’ny fony dia ny haharetan’ny tranony mandritra ny fotoana tsy voafetra,+Sy ny haharetan’ny tranolainy hatramin’ny taranaka fara mandimby.+Nampitondrainy ny anarany mihitsy ireo taniny.+ 12  Tsy maharitra anefa ny fiainan’olombelona, na dia manana voninahitra aza.+Mitovy amin’ny biby efa naripaka izy.+ 13  Izany no mitranga amin’ny adala,+Sy amin’ny mpanara-dia azy, izay finaritra amin’ny teny feno fireharehana aloaky ny vavany. Sela. 14  Toy ny ondry ihany izy ireo ka natao ho an’ny Fasana.*+Ny fahafatesana no ho mpiandry azy.+Ny olo-mahitsy no hifehy azy rehefa maraina,+Ary ho levona ny bika aman’endriny.+Fasana, fa tsy fonenana manerinerina, no ho an’ny tsirairay aminy.+ 15  Fa Andriamanitra kosa hanavotra ahy* tsy ho voagejan’ny Fasana,*+Satria handray ahy Izy. Sela. 16  Aza matahotra raha misy olona lasa mpanankarena,+Ka mitombo ny voninahitry ny tranony,+ 17  Fa tsy hahatondra na inona na inona izy rehefa maty,+Sady tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny.+ 18  Fa nidera tena foana izy nandritra ny androm-piainany.+—Ary hidera anao ny olona, satria mahomby ianao eo amin’ny fiainanao.+ 19  Hatreo amin’izay niafaran’ny mpiara-belona tamin’ny razany ihany no hiafarany.+Tsy hahita ny mazava intsony ireny.+ 20  Ny olombelona izay tsy manan-tsaina, na dia manana voninahitra aza,+Dia mitovy amin’ny biby efa naripaka.+

Fanamarihana

Na: “zavatra mitaky fahiratan-tsaina.”
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.