Salamo 5:1-12

Ho an’ny mpitarika ny Nehilota. Hiran’i Davida. 5  Henoy izay lazaiko,+ Jehovah ô!Aoka ho tsapanao ny antony isentoako.   Henoy aho raha miantso vonjy aminao,+Ry Mpanjakako+ sy Andriamanitro ô, fa ianao no ivavahako.+   Amin’ny maraina, dia handre ny feoko ianao, Jehovah ô!+Eny, amin’ny maraina, dia hiresaka aminao aho ka hiandry izay ho valiny.+   Fa tsy mba Andriamanitra finaritra amin’ny faharatsiana ianao.+Tsy misy olon-dratsy hiara-mitoetra aminao, na rahoviana na rahoviana.+   Tsy misy mpirehareha mahajoro eo anatrehanao.+Halanao ny mpanao ratsy rehetra,+   Ary haringanao ny mpandainga.+Halan’i Jehovah ny mpandatsa-dra+ sy ny mpamitaka.+   Noho ny haben’ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Dia hiditra ao an-tranonao aho,+Ary hiankohoka manandrify ny tempolinao masina, noho ny fahatahorana anao.+   Jehovah ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho,+ fa manodidina ahy ny fahavaloko,+Ampio aho mba tsy ho voasakantsakana ny fandehanako amin’ny lalanao.+   Fa tsy misy azo itokisana izay lazain’ny vavany,+Ary fampahoriana no ao am-pony.*+Fasana misokatra ny tendany,+Ary fitaka no eo amin’ny lelany.+ 10  Homelohin’Andriamanitra tokoa izy ireo,+Ary ny tetika nataony ihany no hahavoa azy.+Aoka hiparitaka izy ireo fa betsaka ny fandikan-dalàna nataony,+Satria nikomy taminao izy.+ 11  Hiravoravo kosa izay rehetra mialoka aminao,+Ka hihoby mandritra ny fotoana tsy voafetra.+Hosakananao izay manatona hamely azy,Ary hifaly aminao ny olona tia ny anaranao.+ 12  Fa hitahy ny olo-marina ianao,+ Jehovah ô!Hataonao mahasarona azy toy ny ampinga+ lehibe ny fankasitrahanao.+

Fanamarihana

Na: “ao anatiny.”