Salamo 50:1-23

Hiran’i Asafa.+ 50  Ilay Mahery,+ eny, ilay Andriamanitra, dia i Jehovah+ no miteny.+Miantso ny tany izy,+Hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany.+   Avy ao Ziona, eny, avy ao amin’ilay tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy,+ no amirapiratan’Andriamanitra.+   Ho avy ilay Andriamanitsika, ary tsy hangina fotsiny izy.+Misy afo mandevona eo alohany,+Ary tafio-drivotra mahery dia mahery no manodidina azy.+   Miantso ny lanitra ambony sy ny tany izy,+Mba hampiharany didim-pitsarana amin’ny vahoakany,+ ka manao hoe:   “Vorio eto anatrehako ny olona tsy mivadika amiko,+Dia ireo nanao fifanekena tamiko tamin’ny alalan’ny sorona.”+   Manambara ny fahamarinan’Andriamanitra ny lanitra,+Fa Andriamanitra no Mpitsara.+ Sela.   “Mihainoa, ry oloko, fa hiteny aho.+Ry Israely ô, hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.+Izaho no Andriamanitra, izay Andriamanitrao.+   Tsy noho ny sorona nataonao no ananarako anao,+Na noho ny fanatitra dorana natolotrao, izay eto anatrehako mandrakariva.+   Tsy haka ombilahy any an-tranonao aho,+Na osilahy ao am-balanao. 10  Fa ahy ny bibidia rehetra any an’ala,+Sy ny biby eny amin’ireo tendrombohitra arivo.+ 11  Fantatro tsara ny vorona rehetra eny an-tendrombohitra,+Ary ahy koa ny biby maro be eny an-tsaha.+ 12  Raha noana aho, dia tsy hiteny aminao,Satria ahy ny tany lonaka+ sy izay rehetra vokariny.+ 13  Mila mihinana ny nofon’ny ombilahy matanjaka angaha aho,+Sa mila misotro ny ran’osilahy?+ 14  Fisaorana no atolory ho sorona ho an’Andriamanitra,+Ary efao amin’ny Avo Indrindra ny voadinao.+ 15  Antsoy aho amin’ny andro fahoriana,+Dia hamonjy anao aho, ka hanome voninahitra+ ahy ianao.” 16  Fa hoy kosa Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy:+“Iza no nanome anao zo hitanisa ny fitsipiko,+Sy hilaza ny fifanekena nataoko?+ 17  Ianao anefa mankahala anatra,+Ary tsy ahoanao mihitsy ny teniko.+ 18  Isaky ny nahita mpangalatra ianao, dia finaritra tamin’ny nataony,+Ary ny mpanitsakitsa-bady no nifaneraseranao.+ 19  Avelanao hanaram-po hilaza zava-dratsy ny vavanao,+Ary tsy mitsahatra miteny fitaka ny lelanao.+ 20  Mipetraka manaratsy ny rahalahinao ianao,+Ary miresaka ny fahadisoan’ny zanaky ny reninao.+ 21  Izany rehetra izany no nataonao, nefa nangina ihany aho.+Nihevitra ianao fa hanjary hitovy aminao tokoa aho.+Hananatra anao aho,+ ary handahatra izany rehetra izany eo imasonao.+ 22  Aoka ho azonareo tsara izany, ry mpanadino an’Andriamanitra,+Sao hamiravira anareo aho, nefa tsy hisy hamonjy anareo.+ 23  Izay manolotra fisaorana ho sorona no manome voninahitra ahy.+Ary izay tapa-kevitra ny tsy hiala amin’ny lalana tokony hizorany,Dia hataoko izay hahazoany famonjena avy amin’Andriamanitra.”+

Fanamarihana