Salamo 51:1-19

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. Tamin’i Natana mpaminany nankao aminy, taorian’ny nanaovan’i Davida firaisana tamin’i Batseba.+ 51  Iantrao aho Andriamanitra ô, araka ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+Koseho ny fahadisoako, araka ny haben’ny famindram-ponao.+   Sasao tanteraka aho ho afaka amin’ny fahadisoako,+Ary diovy aho ho afaka amin’ny fahotako.+   Fantatro ny heloka vitako,+Ary eo anatrehako mandrakariva ny fahotako.+   Taminao dia taminao irery ihany no nanotako,+Ary izay ratsy teo imasonao no nataoko,+Mba ho hita fa marina ianao rehefa miteny,+Ary tsy misy tsiny ianao rehefa mitsara.+   Efa nanam-pahadisoana aho rehefa nateraky ny reniko tao anatin’ny fanaintainana.+Ary efa mpanota aho raha vao niforona tao an-kibon-dreniko.+   Mahafinaritra anao ny fahamarinana vokatry ny fo.+Fahendrena no ampahafantaro ahy ato am-poko.+   Hanadio ahy amin’ny hysopa* anie ianao, mba ho afaka ny fahotako ka hadio aho!+Hosasanao anie aho, mba ho fotsy mangatsakatsaka!*+   Enga anie ianao ka hanao izay hahitako fifaliana sy firavoravoana!+Mba ho faly ny taolako izay nopotipotehinao.+   Afeno tsy hahita ny fahotako ny tavanao,+Ary vonoy daholo ny fahadisoako rehetra.+ 10  Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô,+Ary omeo toe-tsaina vaovao tsy miovaova.+ 11  Aza manary ahy tsy ho eo anatrehanao.+Ary aza esorina amiko ny fanahinao masina.+ 12  Ampodio amiko indray ny fifaliana avy amin’ny famonjenao,+Ary ampio aho hanam-paniriana hankatò anao.+ 13  Hampianariko ny lalanao ny mpandika lalàna,+Mba hiverina aminao ny mpanota.+ 14  Afaho amin’ny trosan-dra aho,+ ry Andriamanitra ô, eny, ry Andriamanitra mpamonjy ahy,+Mba hiresahako amim-pifaliana ny fahamarinanao.+ 15  Hanokatra an’ireto molotro ireto anie ianao, Jehovah ô,+Mba hideran’ny vavako anao!+ 16  Tsy sorona no ankasitrahanao, fa raha izany dia ho efa nanao ihany aho.+Ary tsy fanatitra dorana no sitrakao.+ 17  Ny alahelo mafy vokatry ny nenina no sorona sitrak’Andriamanitra.+Tsy hataonao tsinontsinona ny fo torotoro sy kivy, Andriamanitra ô!+ 18  Aoka ianao hanao soa amin’i Ziona, araka izay sitrakao.+Hanorina ny mandan’i Jerosalema anie ianao!+ 19  Amin’izay ianao dia ho finaritra amin’ny sorona atolotra amim-pahamarinana,+Sy ny fanatitra dorana ary ny fanatitra manontolo.+Amin’izay koa dia hisy ombilahy hatolotra eo amin’ny alitaranao.+

Fanamarihana

Jereo Ek 12:22 f.a.p.
A.b.t.: “fotsy kokoa noho ny lanezy.”