Salamo 53:1-6

Ho an’ny mpitarika ny Mahalata.+ Maskila nataon’i Davida. 53  Ny adala miteny anakampo hoe:“Tsy misy izany Jehovah izany.”+ Manao ratsy izy ireo, ary manao zava-maharikoriko tsy araka ny marina.+Tsy misy manao ny tsara.+   Andriamanitra anefa mitazana avy any an-danitra, eny, mitazana ny zanak’olombelona izy,+Mba hahitana raha misy olona manan-tsaina ka mitady an’i Jehovah.+   Mania izy rehetra, ka ratsy toetra daholo.+Tsy misy manao ny tsara,+Na iray akory aza.   Tsy mba misy manam-pahalalana ve ny mpanao ratsy,+No dia mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina?+Tsy mba miantso an’i Jehovah izy ireo.+   Raiki-tahotra mafy izy ireo tamin’izay,+Nefa tsy nisy tokony hatahorana.+Fa haparitak’Andriamanitra mihitsy ny taolan’izay mitoby hamely anao.+Hampitsanga-menatra an’ireny tokoa ianao, fa efa nolavin’i Jehovah ireny.+   Hivoaka avy ao Ziona anie ny famonjena lehibe ho an’ny Israely!+Rehefa ampodin’i Jehovah ireo olony babo,+Dia aoka hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely.+

Fanamarihana