Salamo 55:1-23

Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokanga. Maskila nataon’i Davida. 55  Henoy ny vavaka ataoko, Andriamanitra ô,+Ary aza miafina ianao rehefa mitalaho famindram-po aho.+   Mba henoy aho, ka valio.+Tsy milamin-tsaina aho noho ny tebiteby ato anatiko,+Ary tsy haiko afenina ny adin-tsaiko,   Noho izay lazain’ny fahavalo sy ny fampahorian’ny ratsy fanahy.+Ataon’izy ireo tototry ny loza aho,+Ary mitana lolompo amiko izy sady tezitra.+   Mijaly mafy ny foko ato anatiko,+Ary mahazo ahy ny tahotra ny fahafatesana.+   Raiki-tahotra sy tora-kovitra aho,+Ary mipararetra mafy.   Dia miteny foana aho hoe: “Raha mba manana elatra tahaka ny voromailala mantsy aho,+Dia hanidina, ka honina any an-toeran-kafa.+   Handositra lavitra aho,+Ka hitoetra any an-tany efitra.+ Sela.   Ary hamonjy fialofana haingana aho,Mba tsy ho azon’ny tafio-drivotra sy ny oram-baratra.”+   Ataovy misafotofoto sy mizarazara ny fiteniny, Jehovah ô,+Fa herisetra sy ady no hitako ao an-tanàna.+ 10  Na andro na alina dia manodidina ny tanàna izy ireo, ka mandeha eny ambony manda.+Faharatsiana sy fahoriana no hita ao.+ 11  Misy loza koa ao.Ary tsy foana mihitsy ny fampahoriana sy ny fitaka, eo amin’ny tany malalaky ny tanàna.+ 12  Tsy fahavalo no nanao tsinontsinona ahy,+Fa raha izany, dia ho zakako ihany.Ary tsy olona nankahala mafy ahy no nirehareha hanohitra ahy,+Fa raha izany, dia ho niafina azy aho.+ 13  Fa ianao no nanao izany, dia ianao izay olombelona mety maty ihany sady olo-manan-kaja toa ahy,+Ary nifandray akaiky tamiko sady fantatro tsara,+ 14  Satria mpinamana be isika,+Ary niara-dia tamin’ny maro ho any an-tranon’Andriamanitra.+ 15  Ho ringana anie ireny!+Aoka hidina velona ao amin’ny Fasana* ireny,+Fa zava-dratsy no ao am-pony any amin’izay toerana onenany.+ 16  Fa izaho kosa, dia hiantso an’Andriamanitra.+I Jehovah no hamonjy ahy.+ 17  Na hariva na maraina na antoandro, dia tsy haiko afenina ny tebitebiko ary mitaraindraina aho,+Ka mandre ny feoko Izy.+ 18  Hanavotra ahy amin’ireo miady amiko izy ka hahatonga ahy tsy hanana ahiahy,+Fa maro be no miady amiko.+ 19  Ary handre Andriamanitra, ka hamaly an’ireny,+Eny, ilay Andriamanitra, izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana toy ny hatramin’izay+ Sela.Ka hamaly an’ireo tsy mety miova+Sy tsy matahotra an’Andriamanitra.+ 20  Efa naninjitra ny tanany hamely an’ireo tsara fihavanana taminy izy,+Ary tsy nanaja ny fifanekena nataony.+ 21  Malefaka noho ny dibera ny tenin’ny molony,+Nefa ny fony vonon-kiady.+Eny, malefaka noho ny menaka ny teniny,+Nefa toy ny sabatra efa notsoahana tao anaty tranony.+ 22  Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao,+Fa izy no hanohana anao.+Tsy havelany hangozohozo mihitsy ny olo-marina.+ 23  Fa ianao Andriamanitra ô, no hampidina ny ratsy fanahy any amin’ny lavaka lalina dia lalina.+Tsy hahatratra ny antsasaky ny androny ny mpandatsa-dra sy ny mpamitaka.+Fa izaho kosa hitoky aminao.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.