Salamo 56:1-13

Ho an’ny mpitarika ny “Voromailala Tsy Mahaloa-peo” eo amin’ireo any an-tany lavitra. Miktama nataon’i Davida, tamin’izy voasambotry ny Filistinina tany Gata.+ 56  Iantrao aho, Andriamanitra ô, fa mitady handrapaka ahy ny olombelona mety maty.+Miady amiko foana izy, ary mampahory ahy tsy misy farany.+   Mitady handrapaka ahy foana ny fahavaloko,+Ary maro no mirehareha miady amiko.+   Rehefa matahotra aho, dia mitoky aminao.+   Tafaray amin’Andriamanitra aho, ka hidera ny teniny.+Andriamanitra no itokisako, ka tsy hatahotra aho.+Inona moa no azon’ny olona atao amiko?+   Misompatra an’izay ataoko foana izy ireo,Ary tsy mieritreritra afa-tsy ny hanisy ratsy ahy.+   Manafika izy ireo, dia miafina,+Ary arahiny maso foana izay alehako,+Ka mifofo ny aiko izy ireo.+   Aoka holavinao izy ireo, noho ny sain-dratsiny.+Aoka ianao handripaka amin-katezerana an’ireo olona ireo, Andriamanitra ô!+   Noraisinao an-tsoratra izay nanjo ahy nandritra ny fandosirako.+Ataovy ao anaty sininao* ny ranomasoko.+Tsy voasoratra ao anaty bokinao ve ireny?+   Koa hiverin-dalana ny fahavaloko, amin’ny andro iantsoako anao.+Fantatro tsara fa momba ahy Andriamanitra.+ 10  Tafaray amin’Andriamanitra aho,+ ka hidera ny teniny.Tafaray amin’i Jehovah aho, ka hidera ny teniny.+ 11  Andriamanitra no itokisako, ka tsy hatahotra aho.+Inona moa no azon’ny olombelona atao amiko?+ 12  Mbola misy voady tsy maintsy hefaiko aminao Andriamanitra ô!+Hanolotra fisaorana ho anao aho.+ 13  Fa novonjenao tsy ho faty aho.+Tsy ianao ve no niaro ny tongotro tsy ho tafintohina?+Mba handehanako eo anatrehan’Andriamanitra, amin’ny fahazavan’ny velona.+

Fanamarihana

Siny hoditra.