Salamo 58:1-11

Ho an’ny mpitarika. “Aza mandringana.” Miktama nataon’i Davida. 58  Ahoana moa no hiresahanareo fahamarinana nefa ianareo mangina fotsiny?+Afaka mitsara araka ny hitsiny ve ianareo, ry zanak’olombelona?+   Tsia, fa minia manao ny tsy marina ianareo.+Mitady lalana hanaovana herisetra koa ianareo.+   Efa hatrany am-bohoka ny ratsy fanahy no niala tamin’ny lala-mahitsy,+Ary efa hatrany an-kibo izy ireo no nania.Mpandainga koa izy ireo.+   Ny poizina avy aminy dia toy ny poizin’ny bibilava,+Ary marenina tahaka ny kôbrà manampin-tsofina izy,+   Dia ny kôbrà izay tsy hihaino ny feon’ny mpibaiko azy,+Na dia eo aza ny fandraikiraikena ataon’ny mpilalao ody mahay.+   Andriamanitra ô, tapatapaho ho afaka ao am-bavany ny nifiny!+Jehovah ô, torotoroy ny valanoranon’ny liona tanora matanjaka!   Ho levona toy ny zavatra alefa ao anaty rano mikoriana anie ireny!+Aoka izy hamatotra ny tadin-tsipìkany, dia hidaraboka ireny.+   Toy ny sifotra mihalevona izy.Tsy hahita masoandro izy ireo, toy ny zaza afaka tao an-kibon-dreniny.+   Mbola tsy mafana akory ny vilaninareo eo ambonin’ny afon-tsilo,+Dia efa lasan’Andriamanitra ny tsilo mbola maitso sy ny efa mirehitra, ka toy ny nopaohin’ny tafio-drivotra.+ 10  Hifaly ny olo-marina rehefa mahita ny fampiharana valifaty.+Handroboka ny tongony ao amin’ny ran’ny ratsy fanahy izy.+ 11  Dia hilaza ny olona hoe:+ “Misy valisoa tokoa ho an’ny olo-marina.+Ary misy Andriamanitra mitsara tokoa etỳ an-tany.”+

Fanamarihana