Salamo 59:1-17

Ho an’ny mpitarika. “Aza mandringana.” Miktama nataon’i Davida, tamin’i Saoly naniraka olona hanao andry maso ny tranony, mba hamonoana azy ho faty.+ 59  Afaho tsy ho azon’ny fahavaloko aho, ry Andriamanitro ô!+Hiaro ahy amin’ireo mitsangana hanohitra ahy anie ianao!+   Afaho tsy ho azon’ny mpanao ratsy aho,+Ary vonjeo tsy ho azon’ny mpandatsa-dra.   Fa miafina hamely ahy ireny satria mifofo ny aiko.+Manafika ahy ny mahery,+Nefa tsy nisy fikomiana na fahotana vitako akory, Jehovah ô!+   Tsy nisy fahadisoako, nefa mihazakazaka sy mivonona hamely ahy ireny.+Mifohaza rehefa miantso aho, ka mba jereo.+   Ianao, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, no Andriamanitry ny Israely.+Mifohaza handinika ny firenena rehetra.+Aza iantrana ny mpamadika tia manao an-kasomparana.+ Sela.   Miverina foana izy ireo rehefa harivariva.+Mivovò hoatran’ny alika+ izy ireo ary mandeha manodidina ny tanàna.+   Miboiboika teny fanevatevana ny vavany,+Ary sabatra no eo amin’ny molony.+Fa iza moa no handre?+   Ianao kosa anefa hihomehy an’ireny Jehovah ô!+Haneso ny firenena rehetra ianao.+   Ry Heriko ô, ianao no handrandraiko,+Fa Andriamanitra no tendrombohitra fandosirako.+ 10  Hitsena ahy ilay Andriamanitra naneho hatsaram-panahy tamiko.+Hataon’Andriamanitra hitako izay manjo ny fahavaloko, ary ho faly aho mijery izany.+ 11  Aza aringana ireny, sao hanadino izany ny oloko.+Ampiasao ny herinao ka ataovy mirenireny+Sy lavo ireny, ry Jehovah ampinganay ô,+ 12  Noho ny fahotan’ny vavany, eny, noho ny tenin’ny molony.+Ary aoka ireny ho voafandriky ny fireharehany,+Noho ny ozona sy fitaka averimberiny. 13  Aringano amin-katezerana ireny,+Eny, aringano tsy hisy intsony.Ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manjaka eo amin’i Jakoba ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+ Sela. 14  Aoka hiverina ireny rehefa harivariva.Aoka ireny hivovò hoatran’ny alika, ary handeha manodidina ny tanàna.+ 15  Aoka ireny hirenireny hitady hanina.+Aoka ireny tsy ho voky sy tsy hahita toerana hatoriana.+ 16  Fa izaho kosa hihira ny herinao.+Ary amin’ny maraina, dia hilaza amim-pifaliana ny hatsaram-panahinao feno fitiavana aho.+Fa tendrombohitra fandosirako ianao,+Ary toerana fialofako amin’ny andro fahoriako.+ 17  Ry Heriko ô, ho anao no hanaovako hira fiderana,+Fa tendrombohitra fandosirako Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra naneho hatsaram-panahy tamiko.+

Fanamarihana