Salamo 6:1-10

Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokanga ary atao oktavy ambany.+ Hiran’i Davida. 6  Jehovah ô, aoka tsy ho ao anatin’ny fahatezerana no hananaranao ahy,+Ary aoka tsy ho ao anatin’ny fahavinirana no hanitsianao ahy.+   Aoka ianao ho tsara fanahy amiko, Jehovah ô, fa reraka tanteraka aho.+Sitrano aho,+ Jehovah ô, fa mangozohozo ny taolako.   Miady saina mafy aho.+Mandra-pahoviana Jehovah ô?+   Miverena+ ka avoty aho,+ Jehovah ô!Vonjeo aho fa tsara fanahy sy be fitiavana ianao.+   Fa tsy afaka miresaka momba anao ny maty.+Iza amin’izay ao amin’ny Fasana* no hidera anao?+   Sasatry ny misento aho,+Vonton-dranomaso ny fandrianako mandritra ny alina,+Ary kotsan-dranomaso ny farafarako.+   Reraky ny fahoriana ny masoko,+Ary pahina noho ny ataon’ny fahavaloko rehetra.+   Mialà amiko ianareo mpanao ratsy rehetra,+Fa ren’i Jehovah ny fitomaniako.+   Ho ren’i Jehovah tokoa ny fitalahoako famindram-po,+Hohenoin’i Jehovah ny vavaka ataoko.+ 10  Ho menatra+ be sy ho very hevitra tanteraka ny fahavaloko rehetra,Hiverina ireny, ka ho menatra avy hatrany.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.