Salamo 60:1-12

Ho an’ny mpitarika ny Lisy Fampahatsiahivana. Miktama nataon’i Davida. Natao hampianarana.+ Tamin’izy niady tamin’i Arama-naharaima sy Arama-zoba, ary niverina i Joaba ka namono Edomita roa arivo sy iray alina, tao amin’ny Lohasahan-tsira.+ 60  Efa nanary anay ianao Andriamanitra ô, ary efa nanafika anay ka nampiparitaka ny tafikay.+Tezitra ianao, nefa mba ataovy mahazo sitraka aminao indray izahay.+   Nampihovotrovotra ny tany ianao, ka nampitresaka azy.+Amboary izay triatra aminy, fa nihozongozona izy.+   Nataonao nahita fahoriana ny vahoakanao.+Nampisotroinao divay izahay, ka nivembena.+   Omenao famantarana ireo matahotra anao,+Ka mandositra miankavia miankavanana, mba tsy ho voan’ny zana-tsipìka. Sela.   Mba hanavotana an’ireo tianao,+Dia vonjeo amin’ny tananao ankavanana izahay ka valio.+   Andriamanitra mihitsy no efa niteny, noho ny fahamasinany, hoe:+“Hifaly aho, ary homeko ho anjaran’ny oloko i Sekema.+Horefesiko koa ny lemaka ivan’i Sokota.+   Ahy i Gileada, ary ahy koa i Manase,+Ary i Efraima kosa fiarovana mafy ho an’ilay lehibe notendreko.I Joda no ataoko tehim-pahefana.+   I Moaba no koveta isasako.+I Edoma no hanipazako ny kapako.+Ary hanao horakora-pandresena ho fanakorana an’i Filistia aho.”+   Iza no hitondra ahy any amin’ilay tanàna natao fahirano?+Iza no hitarika ahy hatrany Edoma?+ 10  Tsy ianao ve no efa nanary anay, Andriamanitra ô,+Sady tsy niaraka tamin’ny tafikay, na dia Andriamanitray aza?+ 11  Ampio izahay mba ho afaka amin’ny fahorianay,+Fa zava-poana ny famonjena avy amin’ny olombelona.+ 12  Andriamanitra no hahazoanay hery,+Ary izy mihitsy no hanosihosy ny fahavalonay.+

Fanamarihana