Salamo 61:1-8

Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokanga. Nataon’i Davida. 61  Henoy ny fitalahoako, Andriamanitra ô!+Mba henoy ny vavaka ataoko.+   Avy any amin’ny faran’ny tany no hiantsoako anao, raha reraka ny foko.+Hitondra ahy ho eny amin’ny harambato avo be anie ianao!+   Fa ianao no fialofako,+Sy tilikambo mafy ho ahy, eo anoloan’ny fahavaloko.+   Hivahiny ao an-tranolainao mandritra ny fotoana tsy voafetra aho.+Hialoka sy hiafina ao ambany elatrao aho.+ Sela.   Fa ianao efa nihaino ny voadiko, Andriamanitra ô!+Efa nomenao ahy ny fananan’ireo matahotra ny anaranao.+   Homenao tombon’andro iainana ny mpanjaka,+Ary hahatratra ny taranaka fara mandimby ny taona hiainany.+   Hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.+Tendreo hiaro azy ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny fahamarinana.+   Koa hihira fiderana ho an’ny anaranao mandrakizay aho,+Mba hanefako isan’andro ny voadiko.+

Fanamarihana