Salamo 63:1-11

Hiran’i Davida, tamin’izy tany an-tany efitr’i Joda.+ 63  Andriamanitra ô, ianao no Andriamanitro, ary mitady anao foana aho.+Mangetaheta anao aho.+Maniry fatratra anao ny tenakoEto amin’ity tany maina sy karakaina tsy misy rano ity.+   Izany no tsapako rehefa nijery anao tao amin’ny toerana masina aho,+Ka nahita ny herinao sy ny voninahitrao.+   Tsara noho ny aina ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Ka hidera anao ny molotro.+   Koa hisaotra anao aho, mandritra ny androm-piainako.+Amin’ny anaranao no hanandratako ny tanako.+   Afa-po amin’ny tsara indrindra aho, eny, afa-po amin’ny matavy,+Ary molotra feno fihobiana no ideran’ny vavako anao.+   Rehefa mahatsiaro anao eo am-pandriako aho,+Mandritra ireo fotoam-piambenana amin’ny alina, dia misaintsaina momba anao.+   Fa nanampy ahy ianao,+Ka mihoby eo amin’ny aloky ny elatrao aho.+   Mitoetra ho akaiky anao foana aho.+Mihazona mafy ahy ny tananao ankavanana.+   Izay mifofo ny aiko mba hamonoana ahy,+Dia ho lasa any amin’ny lalina indrindra amin’ny tany.+ 10  Hatolotra ho amin’ny sabatra ireny,+Ary ho anjara sakafon’ny amboadia.+ 11  Hifaly amin’Andriamanitra ny mpanjaka.+Hirehareha izay mianiana amin’ny anarany,+Fa ho tampina kosa ny vavan’ny mpandainga.+

Fanamarihana