Salamo 64:1-10

Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida. 64  Henoy aho, Andriamanitra ô, fa velom-panahiana.+Hiaro ny aiko anie ianao, noho ny zavatra mampahatahotra ataon’ny fahavalo.+   Afeno aho mba tsy hisy fiantraikany eo amiko ny resaka mangingina ifanaovan’ny mpanao ratsy,+Sy ny tabataban’ny mpisompatra.+   Mandranitra ny lelany toy ny sabatra ireny,+Ary mikendry amin’ny zana-tsipìkany, dia ny teny mandratra aloaky ny vavany,+   Mba hitifirana ny tsy manan-tsiny, avy ao amin’ny takona.+Mitifitra azy tampoka ireny, sady tsy mba matahotra.+   Mikiry miteny zava-dratsy ireny,+Ary milaza ny hanafina fandrika,+Ka manao hoe: “Iza no hahita an’izany?”+   Mikasa foana ny hanao ny tsy marina ireny,+Ary mikotrika teti-dratsy efa maty paika.+Tsy hay fantarina ny ao anatin’ny tsirairay aminy, eny, ny ao am-pony.+   Hotifirin’Andriamanitra tampoka amin’ny zana-tsipìka anefa ireny,+Ka haratra.+   Manao izay hahatafintohina ny hafa ireny,+Nefa hifotitra aminy ihany ny teniny.+Hihivingivin-doha izay rehetra mahita azy,+   Ary hatahotra daholo ny olombelona.+Hilaza izay nataon’Andriamanitra izy ireo,+Ary hahafantatra tsara ny asany.+ 10  Hifaly amin’i Jehovah ny olo-marina, ka hialoka aminy tokoa.+Ary hirehareha avokoa ny mahitsy fo.+

Fanamarihana