Salamo 66:1-20

Ho an’ny mpitarika. Hira fiderana. 66  Manaova horakora-pandresena ho an’Andriamanitra, ry mponin’ny tany manontolo.+   Manaova hira fiderana ho voninahitry ny anarany.+Omeo voninahitra sy dera izy.+   Milazà amin’Andriamanitra hoe: “Mampahatahotra tokoa ny asanao!+Lehibe ny herinao, ka hanatona anao amin-tahotra ny fahavalonao.+   Hiankohoka eo anatrehanao ny mponin’ny tany manontolo,+Ary hihira fiderana ho anao izy ireo, eny, hihira fiderana ho an’ny anaranao.”+ Sela.   Avia ianareo hijery ny asan’Andriamanitra.+Mampahatahotra ny zavatra ataony ho an’ny zanak’olombelona.+   Novany ho tany maina ny ranomasina.+Nandeha an-tongotra niampita ny renirano izy ireo.+Teo dia niravoravo taminy izahay.+   Manjaka amin-kery mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.+Mandinika an’ireo firenena ny masony.+Ary aoka tsy hanandra-tena ireo be di-doha.+ Sela.   Misaora an’Andriamanitray, rey olona!+Ary ataovy maredona tsara ny fiderana azy.+   Izy no mitsimbina anay* mba ho velona izahay+Ary tsy avelany hangozohozo ny tongotray.+ 10  Fa nandinika anay ianao, Andriamanitra ô,+Ary nanadio anay toy ny fanadio volafotsy amin’ny afo.+ 11  Nampidirinao tao anaty fandrika harato izahay,+Ary nasianao enta-mavesatra teo amin’ny andilanay. 12  Navelanao hanitsaka ny lohanay ny olombelona mety maty.+Namakivaky afo sy rano izahay,+Ary avy eo dia nafahanao mba ho velombelona.+ 13  Hankao an-tranonao hitondra fanatitra dorana aho.+Hefaiko aminao ny voadiko,+ 14  Izay nolazain’ny molotro,+Sy naloaky ny vavako tamin’izaho azom-pahoriana mafy.+ 15  Biby matavy no hatolotro ho anao ho fanatitra dorana,+Miaraka amin’ny setroky ny ondrilahy atao sorona.Hanolotra ombilahy sy osilahy koa aho.+ Sela. 16  Avia hihaino ahy ianareo rehetra matahotra an’Andriamanitra, fa hotantaraiko+Izay nataony ho ahy.+ 17  Izy no nantsoin’ny vavako,+Ary nankalaza azy ny lelako.+ 18  Raha mankasitraka zava-dratsy aho ato am-poko,Dia tsy hihaino ahy i Jehovah.+ 19  Nandre ahy tokoa anefa Andriamanitra.+Nihaino ny vavaka nataoko izy.+ 20  Hisaorana anie Andriamanitra, izay tsy nanda ny vavaka nataoko,Ary tsy nanaisotra tamiko ny hatsaram-panahiny feno fitiavana!+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.