Salamo 67:1-7

Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokanga. Hira fiderana. 67  Ho tsara fanahy amintsika sy hitahy antsika Andriamanitra.+Hampamirapiratra ny tavany amintsika izy,+ Sela.   Mba ho fantatra eto an-tany ny lalanao,+Ary ho fantatra eo amin’ny firenena rehetra ny famonjenao.+   Hidera anao anie ny firenena, Andriamanitra ô!+Hidera anao anie ny firenena rehetra!+   Aoka ny firenena samy hafa hifaly sy hihoby,+Fa hotsarainao araka ny hitsiny ny vahoaka.+Hitari-dalana ny firenena samy hafa eto an-tany ianao. Sela.   Hidera anao anie ny firenena, Andriamanitra ô!+Hidera anao anie ny firenena rehetra!+   Hahavokatra tokoa ny tany.+Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.+   Hitahy antsika tokoa Andriamanitra,+Ary hatahotra azy ny vazan-tany efatra.+

Fanamarihana