Salamo 68:1-35

Ho an’ny mpitarika. Hira fiderana nataon’i Davida. 68  Aoka hitsangana Andriamanitra,+ ary aoka hiparitaka ny fahavalony.+Aoka handositra azy izay mankahala mafy azy.+   Horoahinao anie ireny ka hataonao toy ny setroka entin’ny rivotra!+Ary toy ny savoka atsoniky ny afo+No aoka hahalevona ny ratsy fanahy tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra.+   Fa ny olo-marina kosa, aoka hifaly+Sy ho dibo-kafaliana eo anatrehan’Andriamanitra,+Ary hiravoravo sy hifaly.+   Mihirà ho an’Andriamanitra! Manaova hira fiderana ho an’ny anarany!+Manandrata hira ho an’Ilay mandeha mamakivaky ny lemaka karakaina,+Dia ilay manana anarana hoe Jah.*+ Ary miravoravoa eo anatrehany.   Ray ho an’ny kamboty ray ary mpitsara ho an’ny mpitondratena+Andriamanitra, izay ao amin’ny fonenany masina.+   Manome trano ho an’ny manirery Andriamanitra.+Manafaka ny voafonja izy ka manome azy fanambinana.+Fa ireo mafy loha kosa honina any amin’ny tany karakaina.+   Andriamanitra ô, rehefa nandeha teo alohan’ny vahoakanao ianao,+Ary nandeha namakivaky ny tany efitra,+ Sela.   Dia nihovotrovotra ny tany,+Ary nitete ny lanitra, teo anatrehan’Andriamanitra.+Nihovotrovotra i Sinay teo anatrehan’Andriamanitra,+ dia ilay Andriamanitry ny Israely.+   Nampilatsaka oram-be mivatravatra ianao, Andriamanitra ô!+Na dia reraka aza ny lovanao, dia nohatanjahinao.+ 10  Nitoetra tao an-toby ny vahoakanao,+ izay nonina an-tranolay.+Noho ny hatsaran-toetranao, dia nanomana izany toby izany ho an’ny ory ianao, Andriamanitra ô!+ 11  Avy amin’i Jehovah izay zavatra holazaina,+Ary tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.+ 12  Ireo mpanjakan’ny tafika dia mandositra, eny, mandositra izy ireo.+Fa ny vehivavy mijanona ao an-trano kosa mahazo anjara amin’izay nobaboina.+ 13  Na dia mandry eny anelanelan’ny antontan-davenona ao an-toby aza ianareo,Dia hanana ela-boromailala voarakotra volafotsy,Sy volon’elatra voarakotra volamena maitso somary mavo.+ 14  Rehefa naparitak’Ilay Mahery Indrindra ireo mpanjaka tao,+Dia nirotsaka ny lanezy tany Zalmona.+ 15  Tendrombohitr’Andriamanitra+ ny faritra be tendrombohitr’i Basana.+Tendrombohitra maro tendro ny faritra be tendrombohitr’i Basana.+ 16  Nahoana ianareo, ry tendrombohitra maro tendro, no mialonaNy tendrombohitra irin’Andriamanitra honenana?+I Jehovah mihitsy no hitoetra ao mandrakizay.+ 17  An’aliny ny kalesin’adin’Andriamanitra, eny, arivoarivo.+Avy tany Sinay i Jehovah no nankao amin’ny toerana masina.+ 18  Niakatra tany amin’ny avo ianao,+Ary nitondra babo.+Nisy lehilahy nalainao hatao fanomezana,+Eny, nalainao hatramin’ireo mafy loha,+ mba honenanao eo aminy,+ ry Jah Andriamanitra ô! 19  Hisaorana anie i Jehovah, izay mitondra ny entantsika isan’andro,+Eny, ilay Andriamanitry ny famonjena antsika!+ Sela. 20  Ilay tena Andriamanitra no Andriamanitra mpamonjy antsika.+Ary i Jehovah, ilay Tompo Fara Tampony,+ no manafaka amin’ny fahafatesana.+ 21  Hotorotoroin’Andriamanitra ny lohan’ny fahavalony,+Dia ny tampon-dohan’izay mikiry amin’ny helony.+ 22  Hoy i Jehovah: “Halaiko avy any Basana izy ireo,+Ary halaiko avy any amin’ny ranomasina lalina,+ 23  Mba hanasanao ny tongotrao amin’ny ra,+Ary mba hilelafan’ny alikanao ny ran’ny fahavalo.”+ 24  Hitan’izy ireo ny filaharana tarihinao, Andriamanitra ô,+Eny, ny filaharana tarihin’ilay Andriamanitro sady Mpanjakako, hankao amin’ny toerana masina.+ 25  Teo aloha ireo mpihira, ary tao aoriany ny mpitendry lokanga.+Teo afovoany kosa ny ankizivavy nively ampongatapaka.+ 26  Misaora an’Andriamanitra eo anivon’ny vahoaka tafavory.+Misaora an’i Jehovah ianareo avy amin’ny Loharanon’i Israely.+ 27  Teo koa i Benjamina kely izay nandresy an’ireny,+Ny andrianan’i Joda mbamin’ny vahoakany mihorakoraka,Ary ny andrianan’i Zebolona, sy ny andrianan’i Naftaly.+ 28  Nandidy ny hampisehoanao ny herinao ny Andriamanitrao.+Asehoy ny herinao Andriamanitra ô, dia ianao izay nanao zavatra ho anay.+ 29  Noho ny tempolinao ao Jerosalema,+Dia hitondra fanomezana ho anao ireo mpanjaka.+ 30  Teneno mafy ny bibidia any anaty bararata,+ sy ny andian’ombilahy,+Mbamin’ny zanak’ombin’ny vahoaka, fa samy manitsakitsaka volafotsy ireny.+Manaparitaka ny olona tia ady Izy.+ 31  Hisy zavatra vita amin’ny halimo ho tonga avy any Ejipta.+Ary i Kosy* ho mailaka hanolotra fanomezana ho an’Andriamanitra.+ 32  Mihirà ho an’Andriamanitra ianareo, ry fanjakana eto an-tany,+Manaova hira fiderana ho an’i Jehovah Sela. 33  Eny, mihirà ho an’Ilay mitaingina ny lanitry ny lanitra, dia ny lanitra efa nisy hatry ny ela.+Injay izy mampanakoako ny feony, dia feo mafy.+ 34  Ekeo fa mahery Andriamanitra.+Ambony dia ambony izy eo amin’ny Israely, ary eny amin’ny rahona ny heriny.+ 35  Mendrika hatahorana Andriamanitra, izay ao amin’ny toerany masina be voninahitra.+Andriamanitry ny Israely izy, ary manome hery sy tanjaka ho an’ny olona.+Hisaorana anie Andriamanitra!+

Fanamarihana

Fanafohezana ny hoe Jehovah.
Etiopia