Salamo 69:1-36

Ho an’ny mpitarika ny Lisy.+ Nataon’i Davida. 69  Vonjeo aho, Andriamanitra ô, fa miakatra ny rano ka mila hahafaty ahy.*+   Tafalentika ao anaty fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hamaharan’ny tongotro.+Tafalatsaka anaty rano lalina aho,Ary nofaohin’ny rano misasasasa.+   Efa sasatry ny miantso aho,+Ary farina mihitsy ny feoko.Reraka ny masoko eo am-piandrasana an’Andriamanitro.+   Maro noho ny volon-dohako ireo mankahala ahy tsy amin’antony.+Be dia be no mitady hampangina ahy, ka mitsangan-ko fahavaloko tsy amin’antony.+Voatery nanolo zavatra tsy nangalariko aho.   Andriamanitra ô, ianao no mahalala ny hadalako,Ary tsy miafina aminao ny heloko.+   Tsy ho menatra noho ny amiko anie ireo manantena anao,+Ry Jehovah Tompon’ny tafika, ilay Tompo Fara Tampony!+Tsy ho afa-baraka noho ny amiko anie ireo mitady anao,+Ry Andriamanitry ny Israely ô!+   Fa noho ny aminao no itondrako latsa,+Tototry ny fahafaham-baraka aho.+   Toy ny olona tsy fantatry ny rahalahiko aho,+Ary toy ny vahiny tamin’ny zanaky ny reniko.+   Fa mandany tanteraka ny heriko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao,+Ary mihatra amiko ny latsa nataon’ireo nandatsa anao.+ 10  Nitomany sy nifady hanina aho,+Nefa izany indray no nandatsana ahy.+ 11  Rehefa niakanjo gony aho,Dia nataon’izy ireo teny fanarabiana ny anarako.+ 12  Niresaka momba ahy ireo nipetraka teo am-bavahady,+Ary izaho no ambentin-kiran’ny mpisotro toaka.+ 13  Fa izaho kosa dia nivavaka taminao, Jehovah ô,+Tamin’ny fotoana nanehoanao fankasitrahana, Andriamanitra ô!+Noho ny haben’ny hatsaram-panahinao feno fitiavana, dia valio aho ka asehoy fa ianao no tena mpamonjy.+ 14  Avoty avy ao anaty fotaka aho, mba tsy hilentika.+Afaho amin’ny mpankahala ahy+ sy amin’ny rano lalina aho.+ 15  Aoka tsy hifaoka ahy ny rano misasasasa,+Na hitelina ahy ny lalina,Na hikatona amiko ny vavan’ny lavadrano.+ 16  Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny hatsaram-panahinao feno fitiavana.+Mba tsinjovy aho fa be famindram-po ianao,+ 17  Ary aza manafina ny tavanao amin’ny mpanomponao.+Mba valio haingana aho, fa azom-pahoriana mafy.+ 18  Manatòna ahy, ka vonjeo aho.+Mba avoty eo an-tanan’ny fahavaloko aho.+ 19  Ianao mahalala ny latsa sy ny henatra ary ny fahafaham-baraka entiko.+Eo anatrehanao daholo ny mpankahala ahy.+ 20  Nahavaky fo ahy ny latsa, ary tsy mety sitrana ilay fery.+Nanantena aho hoe mba hisy hangoraka, saingy indrisy fa tsy nisy,+Ary mba hisy hampionona, saingy tsy nahita na iray aza.+ 21  Zavamaniry misy poizina no nomeny hohaniko,+Ary notadiaviny hampisotroina vinaingitra aho rehefa nangetaheta.+ 22  Aoka ho vela-pandrika ho azy ireo ny latabany,+Ary ho fandrika ho azy, izay zavatra natao hahasoa azy.+ 23  Aoka ho jamba ny masony ka tsy hahita,+Ary ataovy mangozohozo foana ny andilany.+ 24  Ambarao aminy amin-katezerana ny fanamelohanao,+Ary hahatratra azy anie ny fahatezeranao mafy!+ 25  Aoka ho foana ny tobiny misy manda,+Ary aoka tsy hisy honina intsony ao an-tranolainy.+ 26  Ilay nokapohinao no enjehin’izy ireo,+Ary ny fijalian’izay notrobaranao no ambentin-dresany. 27  Aoka hiampy fahadisoana ny fahadisoany,+Ary aoka izy ireo tsy hekenao ho marina.+ 28  Aoka ny anarany hofafana tsy ho ao amin’ny boky misy ny anaran’ny velona,+Ary tsy hosoratana ao miaraka amin’ny anaran’ny olo-marina.+ 29  Fa ory sy mijaly aho.+Hiaro ahy anie ny famonjenao, Andriamanitra ô!+ 30  Hidera ny anaran’Andriamanitra amin’ny alalan’ny hira aho,+Ary hankalaza azy amin’ny fisaorana.+ 31  Izany no ho sitrak’i Jehovah mihoatra noho ny ombilahy,+Sy ny vantotr’ombilahy misy tandroka sady mivaky kitro.+ 32  Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly.+Aoka hitepo* foana ny fonareo izay mitady an’Andriamanitra.+ 33  Fa henoin’i Jehovah ny mahantra,+Ary tsy hataony tsinontsinona mihitsy ny olony voafonja.+ 34  Aoka hidera azy ny lanitra sy ny tany,+Mbamin’ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy.+ 35  Fa hamonjy an’i Ziona Andriamanitra,+Ka hanorina an’ireo tanànan’i Joda.+Dia honina ao izy ireo, ka haka izany ho fananany.+ 36  Handova izany koa ny taranaky ny mpanompon’Andriamanitra,+Ary ireo tia ny anarany no honina ao.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “ho velona.”