Salamo 7:1-17

Hira fanehoana alahelo nohirain’i Davida ho an’i Jehovah, noho ny tenin’i Kosy Benjaminita. 7  Jehovah Andriamanitro ô,+ ianao no ialofako.+Vonjeo aho tsy ho azon’izay rehetra manenjika ahy ka afaho,+   Sao hoviravirainy toy ny ataon’ny liona aho,*+Ka hoentiny mandositra nefa tsy misy mpamonjy.+   Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao ny tsy nety aho,+Na nanao ny tsy rariny,+   Na namaly ratsy an’izay nanisy soa ahy,+Na nandroba an’izay te hanisy ratsy ahy nefa tsy nahavoa ahy,+   Dia aoka hanenjika ahy ny fahavalo+Ka hahatratra ahy, ary hanosihosy ahy* eo amin’ny tany,Sy hampietry ny voninahitro ho amin’ny vovoka. Sela.   Mitsangàna ao anatin’ny fahatezeranao, Jehovah ô,+Mijoroa hanohitra an’ireo misafoaka amiko sy te hanisy ratsy ahy,+Ary mifohaza hamonjy ahy,+ satria efa nandidy ny hampiharana ny rariny ianao.+   Aoka hanodidina anao ireo firenena.Miverena any amin’ny avo, ka tohero ireny.   Hamoaka didim-pitsarana hampiharina amin’ireo firenena i Jehovah.+Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako+Sy ny tsy fivadihako+ aminao.   Aoka re hifarana hatreo ny faharatsian’ny ratsy fanahy e!+Ary aoka ianao hampaharitra ny olo-marina,+Fa mizaha toetra ny fo+ sy ny voa+ ilay Andriamanitra manao ny rariny.+ 10  Ny ampinga fiarovana ahy dia ao amin’Andriamanitra,+ izay Mpamonjy ny mahitsy fo.+ 11  Mpitsara manao ny rariny Andriamanitra,+Ary manambara fanamelohana isan’andro izy. 12  Raha tsy miova+ ny mpanao ratsy, dia handranitra ny sabany Andriamanitra,+Hamatotra ny tadin-tsipìkany izy, ka hanomana azy hitifirana.+ 13  Hanomana fiadiana mahafaty izy,+Ary hanamboatra zana-tsipìka mirehitra.+ 14  Misy olona bevohoka faharatsiana,+Ary fahoriana no miforona ao an-kibony, ka fitaka no haterany.+ 15  Mihady lavaka izy ka mangady azy,+Nefa izy ihany no ho latsaka ao.+ 16  Hitsingerina eo an-dohany ihany ny fampahoriana ataony,+Ary hilatsaka eo an-tampon-dohany ihany ny herisetrany.+ 17  Hidera an’i Jehovah aho fa marina izy,+Ary hihira fiderana aho ho an’ny anaran’i+ Jehovah, ilay Avo Indrindra.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “ny aiko.”