Salamo 71:1-24

71  Ianao no ialofako, Jehovah ô!+Aoka tsy hitsanga-menatra mihitsy aho.+   Hanavotra ahy noho ny fahamarinanao anie ianao, ka hanafaka ahy!+Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ahy, ka hamonjy ahy.+   Aoka ho vatolampy hiaro ahy ianao, ka ho azoko isitrihana foana.+Aoka ianao hamoaka didy hamonjena ahy,+Fa ianao no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy.+   Andriamanitro ô, afaho eo an-tanan’ny ratsy fanahy aho,+Ary afaho eo am-pelatanan’ny mpanao ny tsy rariny sy ny mpampijaly.+   Fa ianao no antenaiko,+ ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, ary ianao no efa nitokisako hatramin’ny fahatanorako.+   Ianao no nianteherako hatrany am-bohoka.+Ianao no namoaka ahy avy tao an-kibon’i Neny.+Ianao foana no deraiko.+   Toa zava-mahagaga ho an’ny olona maro aho.+Fialofana mafy ho ahy anefa ianao.+   Ny fiderana anao no mameno ny vavako,+Ary ny hatsaranao no ambarako mandrakariva.+   Aza ariana aho rehefa antitra,+Ary aza afoy aho, rehefa lany ny heriko.+ 10  Fa miresaka ahy ny fahavaloko,+Ary mikaon-doha ireo mifofo ny aiko,+ 11  Ka manao hoe: “Efa nafoin’Andriamanitra izy.+Enjeho izy ka sambory, fa tsy misy mpamonjy.”+ 12  Aoka ianao tsy ho lavitra ahy, Andriamanitra ô!+Mba ampio haingana aho, Andriamanitro ô!+ 13  Aoka ho menatra sy ho levona ny mpanohitra ahy.+Aoka ho tototry ny latsa sy ny fahafaham-baraka ireo mitady hanisy ratsy ahy.+ 14  Fa izaho kosa hiandry anao foana,+Ka hampitombo ny fiderana anao. 15  Ny vavako hitantara ny fahamarinanao,+Sy hilaza mandrakariva ny famonjenao,+Fa maro loatra ireny ka tsy voaisako intsony.+ 16  Ho avy hilaza ny herinao lehibe+ aho, ry Jehovah Tompo Fara Tampony+ ô!Hambarako ny fahamarinanao, dia ny anao irery ihany.+ 17  Nampianatra ahy efa hatramin’ny fahatanorako ianao, Andriamanitra ô,+Ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny asanao mahatalanjona foana.+ 18  Andriamanitra ô, aza mahafoy ahy, mandra-pahantitro sy mandra-pahafotsin’ny voloko,+Mandra-pilazako amin’ny taranaka manaraka fa mahery ny sandrinao,+Ary mandra-pilazako amin’ny taranaka ho avy rehetra ny fahatanjahanao.+ 19  Avo dia avo ny fahamarinanao, Andriamanitra ô!+Lehibe ny zava-bitanao,+Ka iza no tahaka anao, Andriamanitra ô?+ 20  Nataonao nahita fahoriana sy loza maro aho,+Ka aoka ianao hamelombelona ahy indray,+Sy hampakatra ahy avy ao amin’ny rano lalina.+ 21  Aoka ianao hampitombo ny voninahitro,+Ary hanodidina ahy sy hampionona ahy.+ 22  Izaho koa hidera anao amin’ny lokanga,+Eny, hidera ny fahamarinanao aho, Andriamanitro ô!+Hihira fiderana ho anao amin’ny harpa aho, ry Ilay Masin’ny Israely ô!+ 23  Hihoby ny molotro isaky ny te hihira fiderana ho anao aho,+Dia izaho izay navotanao.+ 24  Hilaza moramora ny fahamarinanao koa ny lelako, tontolon’ny andro,+Fa menatra sy mangaihay ireo mitady hanisy ratsy ahy.+

Fanamarihana