Salamo 72:1-20

Momba an’i Solomona. 72  Andriamanitra ô, ampahafantaro ny mpanjaka ny didim-pitsaranao,+Ary ampahafantaro ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.+   Aoka hitsara ny olonao araka ny rariny izy,+Ary hitsara an’ireo olonao ory, araka ny hitsiny.+   Hitondra fiadanana ho an’ny olona anie ny tendrombohitra,+Sy ny havoana, noho ny fahamarinana!   Hitsara ny ory eo amin’ny vahoaka anie ny mpanjaka!+Hamonjy ny zanaky ny ory anie izy,Ary hotorotoroiny ny mpanambaka!   Hatahotra anao ireny, raha mbola misy koa ny masoandro,+Ary raha mbola misy koa ny volana, hatramin’ny taranaka fara mandimby.+   Hirotsaka toy ny orana eo amin’ny ahitra vao avy nanapahana izy,+Eny, toy ny oram-be mandena ny tany.+   Amin’ny andro anjakany, dia hiroborobo ny olo-marina,+Ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana.+   Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina,+Ary hatrany amin’ny Renirano+ ka hatrany amin’ny faran’ny tany.+   Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any amin’ny faritra karakaina,+Ary hilelaka ny vovoka ny fahavalony.+ 10  Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny mpanjakan’ireo nosy,+Dia handoa hetra.+Ary ny mpanjakan’i Sheba sy ny mpanjakan’i Seba,Dia hanolotra fanomezana.+ 11  Hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra,+Ary hanompo azy ny firenena rehetra.+ 12  Fa hovonjeny ny mahantra miantso vonjy,+Mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy.+ 13  Hangoraka ny olona ambany sy ny mahantra izy,+Ary hamonjy ny ain’ny mahantra.+ 14  Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy,Ary ho sarobidy aminy ny ran’izy ireo.+ 15  Ho ela velona anie izy!+ Ary aoka hanomezana azy ny volamena avy any Sheba.+Aoka hisy vavaka hatao ho azy foana.Hotahina mandrakariva anie izy!+ 16  Hahavokatra be ny tany,+Ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.+Ho betsaka toy ny any Libanona ny vokatry ny taniny,+Ary hiroborobo toy ny ahitra amin’ny tany ny olona ao an-tanàna.+ 17  Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra anie ny anarany!+Hihamalaza anie ny anarany raha mbola misy koa ny masoandro,Ary aoka ny olona hanao izay hahazoana fitahiana amin’ny alalany!+Aoka ny firenena rehetra hilaza hoe: “Sambatra izy.”+ 18  Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitra, ilay Andriamanitry ny Israely,+Ilay hany manao asa mahatalanjona!+ 19  Hoderaina mandritra ny fotoana tsy voafetra anie ny anarany be voninahitra,+Ary aoka ny voninahiny hameno ny tany manontolo!+Amena! Amena! 20  Tapitra ny vavak’i Davida, zanak’i Jese.+

Fanamarihana