Salamo 73:1-28

Hiran’i Asafa.+ 73  Tsara fanahy amin’ny Israely tokoa Andriamanitra, eny, tsara fanahy amin’ny madio fo.+   Izaho kosa anefa saika nivily lalana,+Ary efa saika nibolisatra ny tongotro.+   Fa nitsiriritra ny mpirehareha aho,+Rehefa nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.+   Tsy mba mijalijaly ireny rehefa ho faty.+Be kibo erỳ izy fa matavy.+   Tsy mba sahirana toy ny olombelona rehetra mety maty ireny,+Ary tsy mba azom-pahoriana toy ny olon-kafa.+   Koa ny fireharehana no ataony rojo iambozonana,+Ary ny herisetra no ataony akanjo mandrakotra ny tenany.+   Bongon’ny tavy ny masony.+Ary mihoatra noho izay efa nokendreny tao am-pony ny zava-bitany.+   Manaraby sy miresaka zava-dratsy ireny.+Mieboebo erỳ izy miresaka momba ny fanambakana nataony. +   Ataony manakatra ny lanitra mihitsy ny vavany.+Mitety ny tany izy ary miteny izay tiany hotenenina.+ 10  Koa entiny miverina ny olona,Ary rano be dia be no araraka hosotroin’izy ireo. 11  Dia hoy ireo: “Ahoana moa no ahalalan’Andriamanitra?+Manam-pahalalana angaha moa ilay Avo Indrindra?”+ 12  Ireny ny ratsy fanahy! Miadana lalandava izy,+Sady mampitombo ny fananany.+ 13  Very maina mihitsy ny nanadiovako ny foko,+Sy ny nanasako ny tanako ho porofo fa tsy manan-tsiny aho.+ 14  Azom-pahoriana aho tontolon’ny andro,+Ary anarina isa-maraina.+ 15  Raha hoy aho: “Hitantara zavatra sahala amin’izany aho”,Dia ho nivadikaTamin’ny zanakao rehetra.+ 16  Nandinika foana aho mba hahalalako izany.+Ary nanahiran-tsaina ahy izany, 17  Mandra-piditro tao amin’ny toerana masin’Andriamanitra.+Te hahafantatra ny hoavin’ireny aho.+ 18  Eo amin’ny toerana malama tokoa no ametrahanao an’ireny.+Ary ataonao izay hahalavo azy mba ho ringana izy.+ 19  Tampoka teo, dia nanjary nigagan’ny olona ireny.+Nifarana ny fiainany, eny, nifarana noho ny loza tampoka. 20  Jehovah ô, toy ny hanadinoana ny nofy rehefa mifoha,+No hanaovanao tsinontsinona ny voninahiny, rehefa mifoha ianao.+ 21  Fa sosotra aho tao am-poko tao,+Ary nanaintaina mafy ny voako.+ 22  Tsy nisaina aho ary tsy nanam-pahalalana.+Toy ny biby aho teo imasonao.+ 23  Eo aminao mandrakariva anefa aho.+Ary nandray ny tanako ankavanana ianao.+ 24  Ny torohevitrao no hitarihanao ahy,+Ary homenao voninahitra aho avy eo.+ 25  Manana an’iza moa aho any an-danitra?+Ary tsy misy mahafinaritra ahy eto an-tany, afa-tsy ianao.+ 26  Trotraka ny vatako sy ny foko.+Andriamanitra anefa no vatolampin’ny foko sy anjarako mandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 27  Fa ho ringana izay manalavitra anao,+Ary hataonao mangina izay mivadika aminao ka mahafoy* anao.+ 28  Izaho kosa, dia ny manakaiky an’Andriamanitra no tsara amiko.+I Jehovah Tompo Fara Tampony no ataoko fialofako,+Mba hanambarako ny asany rehetra.+

Fanamarihana

A.b.t.: “mijangajanga mahafoy.”