Salamo 74:1-23

Maskila nataon’i Asafa.+ 74  Nahoana no dia nanary anay mandrakizay ianao, Andriamanitra ô?+Nahoana ny fahatezeranao no mbola mirehitra foana amin’ny ondry ao amin’ny kijananao?+   Tsarovy ny vahoakanao, izay efa azonao hatry ny ela,+Dia ilay foko navotanao ho lovanao,+Sy ny Tendrombohitra Ziona fonenanao.+   Mankanesa any amin’ilay toerana, izay lasa korontam-bato mandritra ny fotoana lava.+Nosimban’ny fahavalo ny zava-drehetra tao amin’ny toerana masina.+   Mierona eo afovoan’ny toerana fihaonana aminao ny mpankahala anao.+Ary ny sainan’izy ireo no atsangany ho famantarana.+   Malaza ratsy izy ireo, toy ny olona manainga famaky hikapa kirihitrala.   Ary izao dia velivelezin’izy ireo amin’ny famaky kely sy kibay misy lohany vy, ny zava-drehetra misy sokitra.+   Nodorany koa ny toeranao masina,+Ary nozimbazimbainy ny tranolay mitondra ny anaranao ka natsipiny tamin’ny tany.+   Samy miteny anakampo izy sy ny zanany hoe:“Hodorana daholo izay toerana fihaonana amin’Andriamanitra, eto amin’ity faritra ity.”+   Tsy hitanay intsony ny famantaranay. Tsy misy mpaminany intsony koa,+Ary tsy misy mahalala izahay hoe mandra-pahoviana. 10  Mandra-pahoviana ny mpandrafy anao no mbola hanala baraka anao, Andriamanitra ô?+Hanamavo mandrakizay ny anaranao ve ny fahavalo?+ 11  Nahoana indray no miahotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana,+Nefa efa navoakanao avy tao an-tratranao? Tsy ho ringana eto ve izahay? 12  Andriamanitra anefa no Mpanjakako efa hatramin’ny ela be,+Izy no manao famonjena lehibe eto an-tany.+ 13  Ianao no nanetsika ny ranomasina tamin’ny herinao.+Ary novakinao tao anaty rano ny lohan’ny biby goavam-be any an-dranomasina.+ 14  Ianao no nanorotoro ny lohan’ny biby goavam-be,*+Ary nanome izany hohanin’ny olona monina any amin’ny faritra karakaina.+ 15  Ianao no nampitresaka ny vatolampy mba hamoaka loharano sy renirano,+Ary nataonao ritra ny renirano efa nikoriana teo foana.+ 16  Anao ny andro, ary anao koa ny alina.+Ianao no namorona ny zavatra manome hazavana, dia ny masoandro.+ 17  Ianao no nametra ny sisin’ny faritra rehetra eto an-tany,+Ary ianao no namorona ny fahavaratra sy ny ririnina.+ 18  Tsarovy fa manala baraka anao ny fahavalo, Jehovah ô,+Ary manamavo ny anaranao ny olona tsisy saina.+ 19  Aza omena ny bibidia ny ain’ny domohinanao,+Ary aza hadinoina mandrakizay ny ain’ny olonao ory.+ 20  Tsarovy ilay fifanekena,+Fa lasa anjakan’ny herisetra, ny toerana maizina eto an-tany. 21  Aoka mba tsy hiverina amin-kenatra ny ampahorina,+Ary aoka hidera ny anaranao ny ory sy ny mahantra.+ 22  Mitsangàna, Andriamanitra ô, aoka ianao hiaro tena amin’ny fiampangana anao.+Tsarovy fa manala baraka anao mandrakariva ny tsisy saina.+ 23  Tadidio ny feon’ny mpankahala anao.+Miakatra tsy an-kiato ny tabataban’ireo mitsangana hanohitra anao.+

Fanamarihana

Heb.: Leviatana.