Salamo 75:1-10

Ho an’ny mpitarika. “Aza mandringana.” Hira fiderana nataon’i Asafa.+ 75  Misaotra anao izahay, Andriamanitra ô! Misaotra anao izahay+Fa akaiky ny anaranao.+Hanambara ny asanao mahagaga ny olona.+   “Efa nifidy fotoana voafaritra tsara aho,+Ary mitsara araka ny hitsiny.+   Nihalevona ny tany sy ny mponina rehetra teo aminy,+Ary izaho no nanitsy ny andrin’ny tany.”+ Sela.   Hoy aho tamin’ny adala: “Aza miadaladala intsony”,+Ary tamin’ny ratsy fanahy: “Aza asandratra ny tandrokareo.*+   Aza asandratra avo ny tandrokareo,Ary aza mirehareha rehefa miteny.+   Fa tsy avy any atsinanana na avy any andrefana,Na avy any atsimo ny fisandratana.   Andriamanitra no mpitsara.+Mampietry ny anankiray izy, ary manandratra ny anankiray.+   Fa misy kaopy eny an-tanan’i Jehovah,+Ary misy roatrany ny divay sady nasiana fangarony betsaka.Hararany hatramin’ny faikany izany,Ka ny ratsy fanahy rehetra eto an-tany no hisotro sy hanapitra izany.”+   Fa izaho kosa hanambara izany mandritra ny fotoana tsy voafetra.Hihira fiderana ho an’Andriamanitr’i Jakoba aho.+ 10  “Ary hotapahiko ny tandroka rehetran’ny ratsy fanahy.”+Fa hasandratra kosa ny tandroky ny olo-marina.+

Fanamarihana

Jereo 1Sa 2:1 f.a.p.