Salamo 76:1-12

Ho an’ny mpitarika. Ampiarahina amin’ny lokanga. Hira fiderana nataon’i Asafa.+ 76  Fantatra eo amin’ny Joda Andriamanitra,+Ary be voninahitra ny anarany eo amin’ny Israely.+   Ao Salema ny toeram-piafenany,+Ary ao Ziona ny fonenany.+   Tao izy no nanapatapaka ny zana-tsipìka mirehitra,+Sy ny ampinga, sy ny sabatra, ary ny fiadiana.+ Sela.   Rakotra hazavana ianao, sady mbola manerinerina kokoa noho ny tendrombohitra fihazana remby.+   Voaroba ireo be herim-po,+Ary sondrian-tory.+Niraviravy tanana daholo ny lehilahy mahery fo.+   Renoky ny torimaso ny mpitondra kalesy sy ny soavaly, satria noteneninao mafy, ry Andriamanitr’i Jakoba ô!+   Mendrika hatahorana ianao,+Ary iza no mahajoro eo anatrehanao, raha tezitra mafy ianao?+   Avy any an-danitra no ampandrenesanao ny didim-pitsaranao.+Natahotra ny tany ka tsy nahahetsika,+   Rehefa nitsangana hitsara Andriamanitra,+Mba hamonjena ny mpandefitra rehetra eto an-tany.+ Sela. 10  Fa hahatonga fiderana ho anao ny fahatezeran’ny olona.+Ary hataonao toy ny fehikibo ny ambin’ny fahatezerana. 11  Manaova voady amin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo rehetra manodidina azy, ary efao aminy izany.+Aoka ianareo hitondra fanomezana amin-tahotra.+ 12  Hataony tsinontsinona ny reharehan’ny mpitarika,+Ary atahoran’ny mpanjakan’ny tany izy.+

Fanamarihana