Salamo 77:1-20

Ho an’ny mpitarika ny Jedotona. Hiran’i Asafa.+ 77  Hanandratra ny feoko hiantso an’Andriamanitra aho,+Eny, hanandratra ny feoko hiantso an’Andriamanitra aho, dia hihaino ahy izy.+   Nitady an’i Jehovah aho tamin’ny andro fahoriako.+Tsy sasatry ny nitsotra teo anatrehany ny tanako nandritra ny alina,Ary tsy nety nampiononina aho.+   Hahatsiaro an’Andriamanitra aho, ka ho sahiran-tsaina.+Hieritreritra lalina aho, na dia ho rera-tsaina aza.+ Sela.   Hazoninao tsy hikimpy ny hodi-masoko.+Mitebiteby mafy aho, ka tsy mahateny.+   Mieritreritra ny andro fahiny+Sy ny taona lasa hatrizay hatrizay aho.   Hotsaroako ny mozika notendreko rehefa alina.+Hieritreritra lalina ato am-poko aho,+Ary hamakafaka tsara.   Dia hanary anay mandrakizay ve i Jehovah?+Tsy hankasitraka anay intsony ve izy?+   Tsy hisy intsony mandrakizay ve ny hatsaram-panahiny feno fitiavana?+Dia tsy ho tanteraka intsony mandrakizay ve ny teniny?+   Hadinon’Andriamanitra ve ny nampiseho hatsaram-panahy?+Sa tsy namindra fo izy, satria tezitra?+ Sela. 10  Dia hiteny foana ve aho hoe: “Maratra ny foko+Satria tsy manampy anay intsony ny tanana ankavanan’ny Avo Indrindra”?+ 11  Hotsaroako ny zavatra nataon’i Jah.+Hotsaroako tokoa ny asa mahagaga nataonao fahiny.+ 12  Hosaintsainiko tokoa ny asanao rehetra,+Ary hoeritreretiko lalina ny zavatra nataonao.+ 13  Ao amin’ny toerana masina no ahafantarana ny lalanao, Andriamanitra ô!+Iza no Andriamanitra lehibe tahaka an’Andriamanitra?+ 14  Ianao no tena Andriamanitra, izay manao zava-mahagaga.+Nampahafantarinao an’ireo firenena ny herinao.+ 15  Ny sandrinao no nanavotanao ny olonao,+Dia ny taranak’i Jakoba sy ny taranak’i Josefa. Sela. 16  Nahita anao ny rano, Andriamanitra ô,Eny, nahita anao ny rano ka nanaintaina mafy.+Nisamboaravoara koa ny rano lalina.+ 17  Nandrotsaka orana arahin-kotroka ny rahona.+Namoaka feo ny lanitra feno rahona,Ary nifamezivezy tetsy sy teroa ny zana-tsipìkanao.+ 18  Toy ny feon’ny kodiaran’ny kalesy ny feon’ny kotroka nalefanao,+Ary nanazava ny tany lonaka ny tselatra.+Nihorohoro sy nihovotrovotra ny tany.+ 19  Nandeha namakivaky ranomasina ianao,+Ary teny amin’ny rano be no nizoranao.Tsy nisy nahafantatra ny dian-tongotrao. 20  Notarihinao toy ny andian’ondry ny olonao,+Tamin’ny tanan’i Mosesy sy Arona.+

Fanamarihana