Salamo 78:1-72

Maskila nataon’i Asafa.+ 78  Henoy ny lalàko, ry oloko.+Aoka ianareo hanongilan-tsofina hihaino ny tenin’ny vavako.+   Hilaza oha-teny aho,+Ary ny vavako hiboiboika teny saro-pantarina hatry ny ela,+   Izay efa renay sy fantatray,+Ary notantarain’ny razanay taminay.+   Tsy afeninay amin’ny taranak’izy ireo izany,+Fa tantarainay amin’ny taranaka ho avy.+Eny, tantarainay ny fiderana an’i Jehovah sy ny heriny,+Ary ny zava-mahagaga nataony.+   Nomeny fampahatsiahivana i Jakoba+Ary nasiany lalàna teo amin’i Israely.+Nandidiany ny razanay izany,+Mba hampahafantarina ny taranak’izy ireo.+   Amin’izay dia hahalala izany ny taranaka ho avy, dia ny zaza mbola hateraka,+Ka hitsangana hitantara izany amin’ny zanany izy ireo,+   Ary hatoky an’Andriamanitra+Sy tsy hanadino ny zavatra nataon’Andriamanitra,+ fa hitandrina ny didiny kosa.+   Tsy tokony hotahafiny ny razany,+Izay taranaka mafy loha sy mpikomy,+Ary taranaka tsy nanomana ny fony,+Sady tsy mendri-pitokisana teo anatrehan’Andriamanitra.+   Na dia mpandefa zana-tsipìka nirongo fiadiana aza ny taranak’i Efraima,+Dia nihemotra izy ireo tamin’ny andro niadiana.+ 10  Tsy nanaja ny fifanekena nataon’Andriamanitra izy ireo,+Sady tsy nanaiky handeha araka ny lalàny.+ 11  Hadinon’izy ireo koa ny zavatra nataon’Andriamanitra,+Sy ny asany mahatalanjona nasehony azy.+ 12  Nanao zava-mahagaga teo anatrehan’ny razan’izy ireo izy,+Tany Ejipta,+ teo amin’ny sahan’i Zoana.+ 13  Nosarahiny ny ranomasina, mba hampitana azy ireo,+Ary nataony toy ny fefy ny rano.+ 14  Nitarika azy tamin’ny alalan’ny rahona izy rehefa antoandro,+Ary tamin’ny fahazavan’ny afo nandritra ny alina manontolo.+ 15  Nampitresaka harambato tany an-tany efitra izy,+Mba hampisotroana rano be azy ireo, dia rano be toy ny rano lalina.+ 16  Ary namoaka rano avy tamin’ny vatolampy izy,+Ka nampikoriana rano toy ny renirano.+ 17  Vao mainka nanota taminy anefa izy ireo,+Ka nikomy tamin’ny Avo Indrindra, tany amin’ny faritra karakaina.+ 18  Ary nitsapa toetra an’Andriamanitra izy ireo tao am-pony,+Ka nangataka zavatra hohanina araka izay tiany.+ 19  Koa nanome tsiny an’Andriamanitra izy ireo,+Ka niteny hoe: “Mahavita manome sakafo anay atỳ an-tany efitra ve Andriamanitra?”+ 20  Nikapoka ny harambato izy,+Mba hikoriana ny rano, ary ho tondraka ny rano mandriaka.+“Mahavita manome hanina koa ve izy,+Na manome sakafo ho an’ny olony?”+ 21  Nandre izany i Jehovah ka nisafoaka.+Dia nandefa afo hanafaizana an’i Jakoba izy,+Ary nirehitra tamin’i Israely ny fahatezerany.+ 22  Fa tsy nino an’Andriamanitra izy ireo,+Sady tsy natoky ny famonjeny.+ 23  Nobaikoiny ny lanitra feno rahona eny ambony,Ary nosokafany ny varavaran’ny lanitra.+ 24  Dia nandrotsaka mana hohanin’izy ireo izy,+Ka nomeny azy ireo ny sakafo avy any an-danitra.+ 25  Nihinana ny mofon’ireo mahery ny olona.+Nandefasany sakafo araka izay laniny izy ireo.+ 26  Nataony nifofofofo teny amin’ny lanitra ny rivotra avy any atsinanana,+Ary nampisy rivotra mitsoka avy any atsimo izy noho ny heriny.+ 27  Nandrotsahany sakafo be dia be toy ny vovoka izy ireo,+Dia voro-manidina maro be toy ny fasika any an-dranomasina.+ 28  Nalatsany teny amin’ny tobiny ireny,+Nanodidina ny tranolainy.+ 29  Dia nihinana izy ireo, ka voky loatra.+Izay nirin’izy ireo tokoa no nomeny azy,+ 30  Nefa mbola tsy afa-po ihany izy ireo.Koa raha mbola tao am-bavany ny sakafony,+ 31  Dia nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra.+Koa novonoiny ho faty ny olona tomady teo amin’izy ireo,+Ary naripany ny tovolahy teo amin’ny Israely. 32  Na dia teo aza izany rehetra izany, dia mbola nanota ihany izy ireo,+Ka tsy naneho finoana ny asany mahatalanjona.+ 33  Koa nataony nanjavona toy ny fofonaina ny andron’izy ireo,+Ary nofaranany tao anaty horohoro tampoka ny taonan’izy ireo. 34  Isaky ny nandringana anefa izy, dia nikaroka azy izy ireo,+Ka niverina sy nitady an’Andriamanitra.+ 35  Tsaroany fa Andriamanitra no Vatolampiny,+Ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpamaly ny ratsy natao taminy.+ 36  Nitady hamitaka azy tamin’ny teniny anefa izy ireo,+Ary nitady handainga taminy.+ 37  Tsy mba nifikitra tanteraka taminy ny fon’izy ireo.+Nivadika tamin’ny fifanekena nataony taminy koa izy ireo.+ 38  Namindra fo anefa izy,+ ary namela fahadisoana,+ ka tsy nandringana.+Imbetsaka koa izy no nanindry ny fahatezerany,+Ka tsy namoaka ny fahavinirany rehetra. 39  Tsaroany foana fa nofo ihany ireo,+Ary miala ny ainy ka tsy miverina intsony.+ 40  Impiry impiry moa izy ireo no nikomy taminy tany an-tany efitra,+Sy nanao izay nampalahelo azy tany amin’ny tany karakaina?+ 41  Imbetsaka izy ireo no nitsapa toetra an’Andriamanitra,+Ka nanao izay nampahory an’Ilay Masin’ny Israely.+ 42  Nohadinoin’izy ireo ny zavatra nataon’ny tanan’Andriamanitra,+Dia ny andro nanavotany azy tamin’ny fahavalo.+ 43  Eny, nohadinoin’izy ireo ny famantarana nataony tany Ejipta,+Sy ny fahagagana nataony teo amin’ny sahan’i Zoana,+ 44  Ary ny nanovany ho ra an’ireo lakandranon’i Neily,+Mba tsy hisotroan’izy ireo avy tamin’ny reniranony.+ 45  Nandefasany fihitra izy ireo mba hihinana azy,+Ary sahona mba hampahory azy.+ 46  Nomeny hohanin’ny kalalao ny vokatry ny taniny,Ary nomeny hohanin’ny valala izay nisasarany.+ 47  Nataony matin’ny havandra ny voalobony,+Ary potiky ny havandra ny aviavidia teo amin’ny taniny.+ 48  Natolony ho fatin’ny havandra koa ny bibiny mpitondra entana,+Ary ny biby fiompiny, ho fatin’ny areti-mandringana. 49  Nampihariny tamin’izy ireo ny fahatezerany mafy,+Dia fisafoahana sy fanamelohana sy fampahoriana,+Ary anjely maro izay nirahina hitondra loza.+ 50  Nanomana lalana ho an’ny fahatezerany izy,+Ary tsy niaro azy ireo* tsy ho faty.Natolony ho an’ny areti-mandringana koa ny ain’izy ireo.+ 51  Farany, dia novonoiny ho faty daholo ny lahimatoa tany Ejipta,+Eny, naripany tao amin’ireo tranolain’i Hama ny voalohan-terak’izy ireo.+ 52  Ary nentiny nandeha toy ny andian’ondry ny vahoakany,+Ka notarihiny toy ny andiam-biby, tany an-tany efitra.+ 53  Nitarika azy ireo foana izy, ka tsy nanana ahiahy izy ireo sady tsy natahotra.+Voasaron’ny ranomasina ny fahavalon’izy ireo.+ 54  Ary nentiny tany amin’ny faritaniny masina izy ireo,+Dia ilay faritra be tendrombohitra azon’ny tanany ankavanana.+ 55  Noho ny amin’izy ireo no nandroahany tsikelikely an’ireo firenena.+Nizara lova ho azy ireo izy, ka nampiasa tady fandrefesana.+Koa nampitoetra ny fokon’ny Israely tao an-tranony avy izy.+ 56  Nitsapa toetra an’ilay Andriamanitra Avo Indrindra anefa izy ireo sady nikomy taminy,+Ary tsy narahin’izy ireo ny fampahatsiahivany.+ 57  Nania foana koa izy ireo sady nivadika toy ny razany.+Tsy azo nianteherana izy ireo, toy ny tsipìka migoragora.+ 58  Nampahatezitra azy foana izy ireo noho ny toerana avo naoriny,+Ary nanao izay hahasaro-piaro azy noho ny sary sokitra nivavahany.+ 59  Nahare+ izany Andriamanitra ka nisafoaka,+Dia nohamavoiny tanteraka ny Israely.+ 60  Farany, dia nafoiny ilay tranolay tao Silo,+Dia ilay tranolay nonenany teo amin’ny olombelona.+ 61  Navelany hoentina ho babo ilay mariky ny heriny,+Ary navelany ho lasan’ny fahavalo ilay mariky ny hatsaran-tarehiny.+ 62  Natolony ho lavon-tsabatra ny olony,+Ary nisafoaka tamin’ny lovany izy.+ 63  Kilan’ny afo ny tovolahiny,Ary tsy mba nahazo dera ny virjininy.+ 64  Lavon-tsabatra ny mpisorony,+Ary ny mpitondratenany tsy mba nitomany.+ 65  Koa nifoha tamin’ny torimasony i Jehovah,+Toy ny lehilahy mahery efa tsy mamon-divay intsony.+ 66  Ary nasiany avy tao aoriana ny fahavalony,+Ka nataony afa-baraka nandritra ny fotoana tsy voafetra.+ 67  Nolaviny ny tranolain’i Josefa,+Ary tsy nofidiny ny fokon’i Efraima.+ 68  Fa ny fokon’i Joda kosa no nofidiny,+Eny, ny Tendrombohitra Ziona, izay tiany.+ 69  Naoriny ho toy ny havoana ny toerany masina,+Tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay.+ 70  Koa nifidy an’i Davida mpanompony izy,+Ka naka azy avy tany amin’ny valan’ondry.+ 71  Teny am-piandrasana ondrivavy mampinono izy+No nalainy mba hiandry an’i Jakoba olony+Sy Israely lovany.+ 72  Koa niandry an’ireo araka ny fahitsian’ny fony izy,+Ary nitarika an’ireo tamim-pahakingana.+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.