Salamo 79:1-13

Hiran’i Asafa. 79  Nidiran’ireo firenena ny lovanao, Andriamanitra ô!+Nolotoiny ny tempolinao masina,+Ary nataony korontam-bato miavosa i Jerosalema.+   Nomeny ho sakafon’ny voro-manidina ny fatin’ny mpanomponao,+Ary ho an’ny bibidia ny nofon’ireo tsy mivadika aminao.+   Nataony nandriaka toy ny rano ny ran’izy ireoNanerana an’i Jerosalema, ary tsy nisy nandevina azy.+   Nanjary nandatsa anay ny mpiara-monina taminay,+Ary naneso sy nanaraby anay ny manodidina anay.+   Mandra-pahoviana ianao no mbola ho tezitra, Jehovah ô? Ho mandrakizay ve?+Mandra-pahoviana no hirehitra toy ny afo ny fahatezeranao?+   Aoka ianao hanampatra ny fahatezeranao amin’ireo firenena tsy mahalala anao,+Sy amin’ireo fanjakana tsy miantso ny anaranao.+   Fa nataony ripaka tanteraka i Jakoba,+Ary nataon’izy ireo lasa aolo ny fonenany.+   Aza fohazina mba hamelezana anay ny fahadisoan’ny razanay.+Aza ela re e! Mba anehoy famindram-po izahay,+Fa mahantra fadiranovana.+   Ry Andriamanitra mpamonjy anay ô, ampio izahay+Noho ny voninahitry ny anaranao.+Afaho izahay ary avelao ny fahotanay, noho ny anaranao.+ 10  Nahoana ny firenena no dia hilaza hoe: “Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”+Aoka ho fantatry ny firenena sy ho hitan’ny masonay,+Fa mamaly ny ran’ny mpanomponao ianao.+ 11  Ho tonga hatrany aminao anie ny senton’ny voafonja!+Lehibe ny sandrinao, ka mba tsimbino ny ain’ireo nomelohina ho faty.+ 12  Aoka hovalianao* avo fito heny ny mpiara-monina aminay,+Noho ny nanalany baraka anao, Jehovah ô!+ 13  Fa izahay kosa, izay olonao sy ondry ao amin’ny kijananao,+Dia hisaotra anao mandritra ny fotoana tsy voafetra,Ary hanambara ny fiderana anao, hatramin’ny taranaka fara mandimby.+

Fanamarihana

Miampy toy izao ny soratra hebreo: “Ho eo an-tratrany.”