Salamo 8:1-9

Ho an’ny mpitarika ny Gitita.+ Hiran’i Davida. 8  Ry Jehovah Tomponay ô, heni-kaja eran-tany ny anaranao,+Tantaraina any ambonin’ny lanitra ny voninahitrao!+   Avy amin’ny vavan’ny ankizy sy ny zaza minono no ampisehoanao ny herinao,+Noho ny ataon’izay mankahala anao,+Mba hampitsaharana ny ataon’ny fahavalo sy ny mpamaly faty.+   Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao,+Ary ny volana aman-kintana noforoninao,+   Dia inona moa izay olombelona mety maty+ no tsaroanao?+Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?+   Efa nataonao ambany kely noho ireo andriamanitra* izy,+Ary nosatrohanao voninahitra sy famirapiratana.+   Notendrenao hanjaka amin’ny asan’ny tananao izy,+Ary nataonao eo ambany tongony ny zava-drehetra,+   Dia ny biby fiompy rehetra,+ toy ny ondry aman’osy sy ny omby,Ary koa ny biby any an-tsaha+   Sy ny voro-manidina, ary ny trondro any an-dranomasina,+Mbamin’izay rehetra mifamoivoy any an-dranomasina.+   Ry Jehovah Tomponay ô, heni-kaja eran-tany ny anaranao!+

Fanamarihana

Na: “anjely.”