Salamo 80:1-19

Ho an’ny mpitarika ny Lisy.+ Fampahatsiahivana. Hiran’i Asafa.+ 80  Mihainoa, ry Mpiandry ny Israely ô,+Dia ianao izay mitarika an’i Josefa toy ny fitarika andian’ondry.+Mamirapirata,+ ry ilay mipetraka eo amin’ny kerobima+ ô!   Fohazy ny herinao, eo anatrehan’i Efraima sy Benjamina ary Manase,+Ka avia hamonjy anay.+   Avereno ho toy ny taloha izahay, Andriamanitra ô!+Ampamirapirato ny tavanao mba hahavoavonjy anay.+   Ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô, mandra-pahoviana no hahatezitra anao ny vavaka ataon’ny olonao?+   Ranomaso no ataonao sakafony,+Ary ranomaso mandriaka no ampisotroinao azy.+   Ataonao miady anay ny manodidina anay,+Ary manaram-po maneso anay ny fahavalonay.+   Avereno ho toy ny taloha izahay, ry Andriamanitry ny tafika ô!+Ampamirapirato ny tavanao mba hahavoavonjy anay.+   Nisy voaloboka nafindranao avy tany Ejipta.+Noroahinao ireo firenena mba hahafahanao hamboly azy.+   Ary nodiovinao ny toerana hambolenao azy,+ mba hahafahany hamaka sy hameno ilay tany.+ 10  Naharakotra ny tendrombohitra ny alokalony,Ary ny sampany naharakotra ny hazo sederan’Andriamanitra.+ 11  Nisandrahaka tsikelikely hatrany an-dranomasina ny sampany,+Ary hatrany amin’ny Renirano ny rantsany.+ 12  Nahoana no noravanao ny fefy vatony?+Ary nahoana no mioty ny voany, izay rehetra mandalo?+ 13  Trongitrongisin’ny lambo avy any an’ala izy,+Ary hohanin’ny biby maro be avy any an-tsaha.+ 14  Miverena re, ry Andriamanitry ny tafika ô!+Aoka ianao hitsinjo avy any an-danitra, ka jereo sy karakarao ity voaloboka ity,+ 15  Sy ilay foto-boaloboka nambolen’ny tananao ankavanana.+Ary tsinjovy ilay solofo izay nohatanjahinao ho anao.+ 16  Kilan’ny afo izy sady voakapa.+Ringana izy ireo noho ny anatra mafy nataonao.+ 17  Aoka ny tananao hanampy an’ilay olona eo an-tananao ankavanana,+Dia ilay zanak’olombelona izay nohatanjahinao ho anao.+ 18  Tsy hiala aminao izahay.+Hitsimbina ny ainay anie ianao, mba hiantsoanay ny anaranao!+ 19  Avereno ho toy ny taloha izahay, ry Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!+Ampamirapirato ny tavanao mba hahavoavonjy anay.+

Fanamarihana