Salamo 81:1-16

Ho an’ny mpitarika ny Gitita.+ Nataon’i Asafa. 81  Mihobia an’Andriamanitra fa izy no herintsika,+Manaova horakora-pandresena ho an’Andriamanitr’i Jakoba.+   Manaova hira fiderana,+ ary makà ampongatapaka+Sy harpa mahafinaritra ary lokanga.+   Tsofy ny anjombona, rehefa tsinam-bolana+Sy rehefa fenomanana, fa fety ny andro.+   Lalàna ho an’ny Israely mantsy izany,+Didy navoakan’ilay Andriamanitr’i Jakoba.   Nomeny ho fampahatsiahivana an’i Josefa izany,+Tamin’izy nitety an’i Ejipta.+Fiteny tsy haiko no fandreko tamin’izany fotoana izany.+   “Nesoriko teo an-tsorony ny enta-mavesatra,+Ary tsy nampitondraina sobika intsony ny tanany.+   Niantso tao anatin’ny fahoriana ianao, dia namonjy anao aho,+Namaly anao aho, tao amin’ny toerana miafina fonenan’ny kotroka.+Nandinika anao aho, teo amin’ny ranon’i Meriba.+ Sela.   Mihainoa, ry oloko, fa hijoro ho vavolombelona hiampanga anao aho.+Ry Israely ô, raha mba nihaino ahy mantsy ianao,+   Dia tsy ho nisy andriamani-kafa teo aminao,+Ary tsy ho niankohoka teo anatrehan’ny andriamanitry ny firenen-kafa ianao.+ 10  Izaho Jehovah no Andriamanitrao,+Ilay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta.+Sokafy mitanatana ny vavanao, fa hofenoiko.+ 11  Tsy nihaino ny feoko anefa ny oloko,+Ary tsy vonona ny hankatò ahy ny Israely.+ 12  Koa navelako handeha araka ny ditran’ny fony izy,+Ka nanao izay saim-pantany.+ 13  Raha mba nihaino ahy mantsy ny oloko,+Raha mba nandeha tamin’ny lalako mantsy ny Israely,+ 14  Dia ho nataoko nilavo lefona mora foana ny fahavalony,+Ary ny tanako kosa namely an’ireo nandrafy azy!+ 15  Ireo mankahala mafy an’i Jehovah kosa hanatona azy amin-tahotra,+Ary haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny loza hanjo azy. 16  Homeko varimbazaha faran’izay tsara* ny oloko mba hohaniny,+Ary hataoko voky tantely+ avy ao amin’ny harambato izy ireo.”

Fanamarihana

A.b.t.: “ny matavy amin’ny varimbazaha.”