Salamo 82:1-8

Hiran’i Asafa. 82  Maka toerana Andriamanitra,+ eo amin’ny fivoriana+ tarihin’Andriamanitra,Eo amin’ireo andriamanitra Izy no mitsara,+ ka manao hoe:   “Mandra-pahoviana ianareo no hanao ny tsy rariny rehefa mitsara,+Na hiangatra amin’ny ratsy fanahy?+ Sela.   Tsarao araka ny hitsiny ny mahantra sy ny kamboty ray.+Omeo rariny ny ory sy ny madinika.+   Vonjeo ny mahantra sy ny ory,+Ka afaho eo am-pelatanan’ny ratsy fanahy.”+   Tsy mahalala izy ireo, ary tsy mahafantatra.+Miraparapa ao anaty haizina izy ireo,+Ka voahozongozona ny fototry ny tany manontolo.+   “Hoy aho: ‘andriamanitra ianareo,+Ary zanak’ilay Avo Indrindra ianareo rehetra.+   Ho faty toy ny olon-drehetra ihany anefa ianareo,+Ary ho lavo toy ny andriana rehetra!’”+   Mitsangàna, Andriamanitra ô, ka tsarao ny tany,+Fa anao tokoa ny firenena rehetra.+

Fanamarihana