Salamo 83:1-18

Hira fiderana nataon’i Asafa.+ 83  Aza mangina fotsiny, Andriamanitra ô!+Aza mangina tsy miteny, na mijery fotsiny, Andriamanitra ô!+   Fa mitabataba ny fahavalonao,+Ary mampitraka ny lohany ireo mankahala mafy anao.+   Miray tetika mangingina mba hamelezana ny vahoakanao izy ireo,+Sady mikotrika zava-dratsy hanoherana an’ireo olona efa nafeninao.+   Hoy izy ireo: “Andao hofoanantsika tanteraka ny fireneny,+Mba tsy hotsarovana intsony ny anarana hoe Israely.”+   Fa hevi-dratsy no ao am-pony, ka niara-nikaon-doha izy ireo,+Ary nanao fifanekena hanoherana anao.+   Hanohitra anao tokoa ny tranolain’i Edoma+ sy ny Ismaelita sy ny Moabita+ sy ny Hagarita,+   Sy Gebala sy Amona+ sy Amaleka,Ary Filistia+ mbamin’ny mponin’i Tyro.+   Niaraka tamin’izy ireo koa i Asyria.+Nanjary toy ny sandry nanampy an’ireo taranak’i Lota ireny.+ Sela.   Ataovy toy ny nanaovanao ny Midianina+ sy Sisera+ izy ireo,Sy toy ny nanaovanao an’i Jabina+ teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona.+ 10  Ringana tany En-dora izy ireo,+Ka lasa zeziky ny tany.+ 11  Ataovy toy ny nanaovanao an’i Oreba sy Zeba ny olona ambony eo aminy.+Ary ny andrianany rehetra kosa ataovy toy ny nanaovanao an’i Zebaha sy Zalmona,+ 12  Izay nilaza hoe: “Andao halaintsika ho antsika ny fonenan’Andriamanitra.”+ 13  Ataovy tahaka ny tsilo atambolimbolin’ny tadio izy ireo, Andriamanitro ô,+Ary ataovy tahaka ny mololo entin’ny rivotra.+ 14  Toy ny afo mandoro ala+Sy toy ny lelafo mandrehitra tendrombohitra,+ 15  Dia ho toy izany anie no hanenjehanao azy amin’ny tafio-drivotrao,+Sy hampitebitebenao azy amin’ny rivo-mahery avy aminao!+ 16  Ataovy afa-baraka tanteraka izy ireo,+Mba hitadiavan’ny olona ny anaranao, Jehovah ô!+ 17  Ho menatra sy hitebiteby mandrakariva anie izy ireo+Ka hangaihay sy ho ringana,+ 18  Mba ho fantatry+ ny olona fa ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah,+No Avo Indrindra+ ambonin’ny tany manontolo!+

Fanamarihana