Salamo 84:1-12

Ho an’ny mpitarika ny Gitita.+ Hiran’ny taranak’i Kora. 84  Tiako loatra ny tranolainao be voninahitra,+Jehovah Tompon’ny tafika ô!+   Manimanina te ho any amin’ny tokotanin’ny tranolain’i Jehovah aho, ka trotraky ny alahelo.+Mihoby an’ilay Andriamanitra velona ny foko sy ny tenako manontolo.+   Na ny vorona aza nahita trano,Ary ny sidintsidina nahita akanyHametrahany ny zanany,Dia eo amin’ny alitaranao be voninahitra, Jehovah Tompon’ny tafika ô, ry Mpanjakako sy Andriamanitro!   Sambatra ny olona monina ao an-tranonao!+Fa midera anao foana izy ireo.+ Sela.   Sambatra ny olona mahazo hery avy aminao,+Sy maniry hizotra amin’ny lalana mankany an-tranonao.+   Na dia lemaka karakaina anirian’ny hazo bakà* aza no andalovany,+Dia manjary toy ny tany misy loharano.Mitafy fiderana toy ny fitafy akanjo ilay mpampianatra.+   Hitombo hery eny am-pandehanana ireny,+Ary samy miseho eo anatrehan’Andriamanitra ao Ziona.+   Henoy ny vavaka ataoko, Jehovah Andriamanitry ny tafika ô!+Aoka ianao hanongilan-tsofina, ry Andriamanitr’i Jakoba ô!+ Sela.   Ry Andriamanitra ampinganay ô, mba jereo+Sy tsinjovy ilay voahosotrao.+ 10  Fa ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo any an-toeran-kafa.+Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’Andriamanitro,+Toy izay hiriaria ao amin’ny tranolain’ny ratsy fanahy.+ 11  Fa masoandro+ sy ampinga+ i Jehovah Andriamanitra,Fankasitrahana sy voninahitra no omeny.+Tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’izay mandeha tsy misy tsiny i Jehovah.+ 12  Jehovah Tompon’ny tafika ô, sambatra izay olona matoky anao.+

Fanamarihana

Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “mitomany.”