Salamo 86:1-17

Vavak’i Davida. 86  Aoka ianao hanongilan-tsofina, Jehovah ô! Valio aho+Fa ory sy mahantra.+   Arovy aho satria tsy mivadika aminao.+Andriamanitro ianao, ka mba vonjeo ity mpanomponao izay matoky anao.+   Iantrao aho, Jehovah ô,+Fa ianao no antsoiko mandrakariva.+   Ampifalio ity mpanomponao,+Fa foiko ho anao ny tenako, Jehovah ô!+   Tsara toetra+ sy vonona hamela heloka+ ianao, Jehovah ô,Sady tena tsara fanahy sy be fitiavana amin’izay rehetra miantso anao.+   Aoka ianao hanongilan-tsofina, Jehovah ô, rehefa mivavaka aho,+Ary henoy ny fitalahoako!+   Hiantso anao aho amin’ny andro fahoriako,+Satria hamaly ahy ianao.+   Tsy misy andriamanitra toa anao, Jehovah ô!+Ary tsy misy mahavita asa sahala amin’izay vitanao.+   Ho avy ny firenena rehetra nataonao,+Ka hiankohoka eo anatrehanao, Jehovah ô,+Sy hankalaza ny anaranao!+ 10  Fa lehibe ianao ary manao zava-mahagaga,+Ianao irery no Andriamanitra.+ 11  Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô!+Handeha amin’ny fahamarinanao aho.+Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.+ 12  Midera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah Andriamanitro ô!+Homeko voninahitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anaranao, 13  Satria tena tsara fanahy sy be fitiavana amiko ianao,+Ary novonjenao tsy hidina any amin’ny Fasana* lalina indrindra aho.*+ 14  Andriamanitra ô, nitsangana hamely ahy ny olona sahisahy ratsy,+Ary nifofo ny aiko ny andian’olona lozabe.+Tsy mba nataon’izy ireo teo anatrehany ianao.+ 15  Fa ianao kosa, Jehovah ô, dia Andriamanitra mamindra fo sy tsara fanahy,+Tsy mora tezitra+ ary be hatsaram-panahy feno fitiavana sady tena tia fahamarinana.+ 16  Tsinjovy aho, ka iantrao.+Omeo ny herinao ity mpanomponao,+Ary vonjeo ity zanaky ny mpanompovavinao.+ 17  Omeo famantarana manaporofo ny hatsaran-toetranao aho,Mba ho hitan’ireo mankahala ahy izany, ka ho menatra izy ireo.+Fa ianao, Jehovah ô, no manampy sy mampionona ahy.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.