Salamo 88:1-18

Hira fiderana nataon’ny taranak’i Kora. Ho an’ny mpitarika ny Mahalata, rehefa manao hira mifamaly. Maskila nataon’i Hemana+ Ezrahita. 88  Ry Jehovah Andriamanitra mpamonjy ahy ô,+Mitaraina aho amin’ny antoandro,+Ary mitaraina eo anatrehanao koa amin’ny alina.+   Ho tonga eo anatrehanao ny vavaka ataoko,+Ka aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako.+   Fa efa ampy izay fahoriana nanjo ahy izay,+Ary madiva hitelina ny aiko ny Fasana.*+   Natao ho isan’ireo hidina any an-davaka aho,+Ary nanjary tsy nanan-kery na dia lehilahy tomady aza.+   Nahazo fahafahana toy ny olona efa maty aho,+Eny, toy ny maty mivalampatra ao am-pasana,+Izay tsy tsaroanao intsony,Sady tsy ampian’ny tananao.+   Nataonao tao amin’ny lavaka faran’izay lalina aho,Tao amin’ny haizina, tao amin’ny lavaka be mangitsokitsoka.+   Nanampatra ny fahatezeranao tamiko ianao,+Nataonao niantonta tamiko daholo ny onjanao mahery mba hampahoriana ahy.+ Sela.   Nampanalavirinao ahy ny namako,+Ary nataonao tena naharikoriko azy aho.+Voageja aho ka tsy tafavoaka.+   Reraky ny fahoriana ny masoko.+Miantso anao foana aho, Jehovah ô,+Ary mamelatra ny tanako ho aminao.+ 10  Hanao fahagagana ho an’ny maty ve ianao?+Hitsangana ve ireo maty izay tsy mahefa na inona na inona?+Hidera anao ve izy ireo?+ Sela. 11  Hotorina any am-pasana ve ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,Ary ny tsy fivadihanao ve hotantaraina any amin’ny toerana mahalò ny nofo?+ 12  Ho fantatra ao amin’ny haizina ve ny fahagagana nataonao,+Ary ny fahamarinanao ve ho fantatra ao amin’ny tanin’ny fanadinoana?+ 13  Ianao anefa, Jehovah ô, no antsoiko hamonjy ahy,+Ary tonga any aminao isa-maraina ny vavaka ataoko.+ 14  Nahoana ianao no manary ahy, Jehovah ô?+Nahoana ianao no manafina ny tavanao amiko?+ 15  Hatramin’ny fahazazako aho no efa ory sy saika maty.+Nijaly mafy aho noho ny zava-mampahatahotra avy taminao.+ 16  Saika nandifotra ahy ny fahatezeranao mafy,+Ary nanjary tsy nahateny aho noho ny horohoro avy taminao.+ 17  Nanodidina ahy mandrakariva toy ny rano ireny,+Niara-nihodidina tamiko izy rehetra. 18  Nampanalavirinao ahy ny namako sy ny sakaizako,+Ary ny haizina no mba namako.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.