Salamo 89:1-52

Maskila nataon’i Etana Ezrahita.+ 89  Hohiraiko mandritra ny fotoana tsy voafetra ny hatsaram-panahy feno fitiavana nasehon’i Jehovah.+Hatramin’ny taranaka fara mandimby no hanambarako fa tsy mivadika ianao.+   Fa hoy aho: “Ho mafy orina mandrakizay ny hatsaram-panahinao feno fitiavana,+Ary ataonao tsara fototra any an-danitra ny tsy fivadihanao.”+   “Efa nanao fifanekena tamin’ilay voafidiko aho,+Ary efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko+ hoe:   ‘Hataoko maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranakao,+Ary ny seza fiandriananao+ hataoko mafy orina hatramin’ny taranaka fara mandimby.’” Sela.   Hoderain’ny lanitra ny zava-mahagaga nataonao, Jehovah ô,+Eny, hoderaina eo anivon’ny fiangonan’ireo masina ny tsy fivadihanao.   Fa iza any an-danitra no afaka mifampitaha amin’i Jehovah?+Iza amin’ireo zanak’Andriamanitra no mitovy amin’i Jehovah?+   Andriamanitra tokony hohajaina izy, eo anivon’ireo masina mpinamana akaiky.+Be voninahitra sy mendrika hatahorana izy, eo amin’izay rehetra manodidina azy.+   Jehovah Andriamanitry ny tafika ô,+Iza no mahery tahaka anao, ry Jah?+Mendri-pitokisana ianao amin’ny zava-drehetra.+   Manjaka amin’ny ranomasina misamonta ianao,+Ary ianao no mampitony azy raha avo be ny onjany.+ 10  Notorotoroinao i Rahaba,+ ka toy ny olona novonoina.+Ny herin-tsandrinao no nanaparitahanao ny fahavalonao.+ 11  Anao ny lanitra,+ ary anao koa ny tany.+Ny tany lonaka sy izay rehetra eo aminy,+ dia ianao no nanao azy.+ 12  Ianao no nanao ny avaratra sy ny atsimo,+Ary mihoby+ sy midera ny anaranao i Tabara+ sy Hermona.+ 13  Manan-tsandry mahery ianao,+Matanjaka ny tananao,+Ary misandratra ny tananao ankavanana.+ 14  Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandriananao,+Ary mankeo anatrehanao ny hatsaram-panahy feno fitiavana sy ny fahamarinana.+ 15  Sambatra izay olona manao horakora-pifaliana.+Handeha amin’ny fahazavan’ny tavanao foana izy ireo, Jehovah ô!+ 16  Ny anaranao no ifaliany mandrakariva,+Ary ny fahamarinanao no isandratany.+ 17  Fa ianao no voninahitry ny heriny,+Ary noho ny fankasitrahanao, dia misandratra ny tandrokay.+ 18  Avy amin’i Jehovah ny ampinganay,+Ary avy amin’Ilay Masin’ny Israely ny mpanjakanay.+ 19  Tamin’izany, dia niteny tao amin’ny fahitana ianao,+Ka nilaza tamin’ireo tsy nivadika taminao hoe:“Nanampy olo-mahery aho,+Ary nanandratra olona iray nofidiko teo amin’ny vahoaka.+ 20  Nahita an’i Davida mpanompoko aho,+Ka nohosorako menaka masina izy.+ 21  Homba azy ny tanako mahery,+Hanatanjaka azy koa ny sandriko.+ 22  Tsy hisy fahavalo hampahory azy,+Ary tsy hisy zanaky ny tsy fahamarinana hampijaly azy.+ 23  Nanamontsana ny fahavalony teo anatrehany aho,+Sady tsy nitsahatra namely an’ireo mankahala mafy azy.+ 24  Homba azy ny tsy fivadihako sy ny hatsaram-panahiko feno fitiavana,+Ary ny anarako no isandratan’ny tandrony.+ 25  Nataoko teo ambonin’ny ranomasina ny tanany,+Ary teo ambonin’ny renirano ny tanany ankavanana.+ 26  Dia hiantso ahy izy hoe: ‘Raiko ianao,+Sady Andriamanitro+ sy Vatolampy mpamonjy ahy.’+ 27  Ary izaho hanao azy ho lahimatoa,+Sy ho ambony indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.+ 28  Mandritra ny fotoana tsy voafetra, dia tsy hesoriko aminy ny hatsaram-panahiko feno fitiavana,+Ary ho azo antoka ny fifanekena nataoko taminy.+ 29  Hataoko maharitra mandrakizay ny taranany,+Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny andron’ny lanitra.+ 30  Raha mandika ny lalàko ny taranany,+Ka tsy mankatò ny didim-pitsarako,+ 31  Ary raha manao tsinontsinona ny fitsipiko izy ireo,Ka tsy mitandrina ny didiko, 32  Dia hofaiziko amin’ny tsorakazo satria nandika lalàna,+Ary hokapohiko satria nanao fahadisoana.+ 33  Tsy hesoriko aminy anefa ny hatsaram-panahiko feno fitiavana,+Ary tsy mba hivadika aho fa ho mendri-pitokisana foana.+ 34  Tsy hivadika amin’ny fifanekena nataoko aho,+Ary tsy hanova ny teny efa nolazaiko aho.+ 35  Efa nianiana indray mandeha tamin’ny fahamasinako aho,+Ka tsy handainga amin’i Davida.+ 36  Haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranany,+Ary haharitra eo anatrehako toy ny masoandro koa ny seza fiandrianany.+ 37  Ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra, toy ny volana, izy io,Ary ho tahaka ilay vavolombelona mendri-pitokisana eny amin’ny lanitra.” Sela. 38  Ianao kosa anefa nanary an’ilay voahosotrao, sy nanao tsinontsinona azy,+Ary nisafoaka taminy.+ 39  Nohamavoinao ny fifanekena nataonao tamin’ilay mpanomponao,Nozimbazimbainao ny diademany ka natsipinao tamin’ny tany.+ 40  Narodanao daholo ny vala* nananany,+Ary noravanao ny mandany.+ 41  Koa nandroba azy daholo izay rehetra nandalo,+Ary nandatsa azy ny manodidina.+ 42  Nasandratrao ny tanana ankavanan’ny fahavalony,+Ary nampifalinao izay rehetra nandrafy azy.+ 43  Nataonao fahavalo indray ny sabany,+Ary tsy nampianao izy tany an’ady.+ 44  Nesorinao taminy ny famirapiratany,+Ary natsipinao tamin’ny tany ny seza fiandrianany.+ 45  Nohafohezinao ny andron’ny fahatanorany,Norakofanao henatra izy.+ Sela. 46  Mandra-pahoviana ianao no hiafina, Jehovah ô? Ho mandrakizay ve?+Hirehitra foana toy ny afo ve ny fahatezeranao?+ 47  Tsarovy fa fohy ihany ange ny androm-piainako e!+Dia ho very maina fotsiny ve ny namoronanao ny zanak’olombelona rehetra?+ 48  Iza no olona mbola velon’aina ka tsy ho faty?+Afa-mandositra tsy ho voagejan’ny Fasana* ve izy?*+ Sela. 49  Jehovah ô, aiza ireny hatsaram-panahinao taloha ireny,Izay nianiananao tamin’i Davida noho ianao tsy mivadika?+ 50  Tsarovy ny latsa nozakain’ny mpanomponao, Jehovah ô!+Tsarovy ny nitondrako* latsa avy tamin’ny firenena rehetra,+ 51  Sy ny nandatsan’ireo fahavalonao an’ilay voahosotrao, Jehovah ô,+Eny, ny nandatsan’izy ireo azy noho izay rehetra nataony.+ 52  Hisaorana mandritra ny fotoana tsy voafetra anie i Jehovah! Amena! Amena!+

Fanamarihana

Vala mafy orina vita amin’ny vato.
Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Miampy toy izao ny soratra hebreo: “Teo an-tratrako.”