Salamo 9:1-20

Ho an’ny mpitarika ny Mota-labena. Hiran’i Davida. א [Alefa] 9  Hidera anao amin’ny foko manontolo aho, Jehovah ô,+Ary hanambara ny asanao mahatalanjona rehetra.+   Hiravoravo sy hifaly aminao aho,+Ary hihira fiderana ho an’ny anaranao, ry Avo Indrindra ô!+ ב [Beta]   Raha mitakemotra ny fahavaloko,+Dia ho lavo sy ho ringana eo anatrehanao.+   Nomenao rariny aho rehefa nitondra ny adiko hotsaraina.+Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana ianao, ka nitsara araka ny rariny.+ ג [Gimela]   Nanarinao mafy ny firenena+ ary naringanao ny ratsy fanahy.+Ny anarany koa nofoananao mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.+   Ry fahavalo ô, mandrakizay ny fandringanana anareo.+Ho toy izany koa ny tanàna noravanao.+Tsy hotsarovana intsony mihitsy izy ireo.+ ה [He]   Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah,+Eny, hataony mafy orina ny seza fitsarany.+   Hotsarainy araka ny rariny ny tany lonaka,+Ary hotsarainy araka ny hitsiny ireo firenena.+ ו [Vao]   Ho toy ny tendrombohitra fandosirana i Jehovah, ho an’izay torotoro fo,+Eny, ho toy ny tendrombohitra fandosirana amin’ny fotoam-pahoriana.+ 10  Hatoky anao izay mahalala ny anaranao,+Satria ianao tsy hahafoy an’izay mitady anao, Jehovah ô!+ ז [Zaina] 11  Aoka ianareo hihira fiderana ho an’i Jehovah, izay mipetraka ao Ziona,+Lazao amin’ireo firenena ny asany.+ 12  Fa hotsaroany ny ory+ rehefa mitady an’izay mpandatsa-dra+ izy.Tsy hohadinoiny tokoa ny fitarainan’ny ory.+ ח [Heta] 13  Aoka ianao ho tsara fanahy amiko, Jehovah ô! Jereo ny fahoriako noho ny ataon’ny mpankahala ahy,+Ianao no manarina ahy eo am-bavahadin’ny fahafatesana,+ 14  Mba hanambarako ny asa mendri-piderana rehetra nataonao,+Eny, hanambarako izany eo am-bavahadin’ny+ zanakavavin’i Ziona,+Mba hifaliako amin’ny famonjenao.+ ט [Teta] 15  Latsaka ao amin’ny lavaka nataony ireo firenena,+Ary ny harato+ nafeniny ihany no namandrika ny tongony.+ 16  Fantatra amin’ny didim-pitsarana nampihariny i Jehovah.+Ny asan’ny tanan’ny ratsy fanahy ihany no mamandrika azy.+Higaiona. Sela. י [Yôda] 17  Hody any amin’ny Fasana*+ ny ratsy fanahy,+Sy ny firenena rehetra izay manadino an’Andriamanitra.+ 18  Tsy hohadinoina foana ny mahantra,+Ary tsy ho mandrakizay no hahafoana ny fanantenan’ny mpandefitra.+ כ [Kafa] 19  Mitsangàna, Jehovah ô! Aoka tsy hahery noho ianao ny olombelona mety maty.+Aoka hotsaraina eo anatrehanao ireo firenena.+ 20  Ataovy raiki-tahotra izy ireo, Jehovah ô,+Mba ho fantatr’izy ireo fa olombelona mety maty ihany izy.+ Sela.

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.